HCC vaovao – Nanondrana sahady, nanova didy efa nivoaka

Isambilo

Nanondrana sahady ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, na HCC vaovao, nanova ny didy efa navoakany. Zavatra mbola tsy nisy nandritra izay 61 taona nahazoantsika ny fahaleovantena izay, hoy Me Hanitra Razafimanantsoa nandritra ny fandaharana Miara-Manonja omaly. Nanitsy ny fanapahan-keviny mahakasika ilay tolo-dalàna manova ny sata mifehy ny mpanohitra ny teo anivon’ity andrimpanjakana ity, ary tsy nametraka intsony ny fahafahan’ny mpanohitra ivelan’ny parlemanta, hisafidy olona iray na maromaro ho lehibe hitarika azy ireo.

Ao anatin’io fanapahan-kevitra io anefa dia mitazona hatrany fa mifanaraka amin’ny lalam-panorenana io lalàna io. Voatazona ihany koa, fa ny lehiben’ny mpanohitra ofisialy dia mitarika ny fanoherana eny anivon’ny parlemanta irery ihany, fa tsy ny any ivelan’ny parlemanta.

Ho solombavambahoaka voafidy ao anivon’ny Antenimierampirenena ihany arak’izany no ho lehiben’ny fanoherana ofisialy, fa tsy olona nosafidin’ny vondrona politika mpanohitra, ka handray ny toerana filoha lefitra ao anivon’izany andrimpanjakana mpanao lalàna izany, ary hisitraka ireo zo sy tombontsoa voafaritry ny lalàna.

Marihina fa tao anatin’ilay lalàna teo aloha, dia tsy voatery ho solombavambahoaka ny lehiben’ny mpanohitra, fa rehefa voasafidin’ny vondrana politika mpanohitra ity farany dia afaka mandray izany toerany izany eny anivon’ny antenimierampirenana. Tsy fahafehezana lalàna ve no nahatonga ireo mpitsara avo ao Ambohidahy nivadibadika toy ny andro ririnina, na nivadibadika toy ny lela may izay?

Fehiny, nanondrana sahady ny ao amin’ity andrimpanjakana ity, mbola taona maromaro anefa ny fotoam-piasany, misy sahady ireo mpanao politika nanambara fa sao tokony dia ho ravana ety am-piandohana ity andrimpanjakana ity, mba tsy ho fototry ny korontana ho avy eto amin’ny firenena, satria raha toy izao hatrany ny fanapahan-kevitra raisiny, tsy maintsy hiafara amin’ny korontana izany, satria hita mibaribary sahady ny fitanilany, na ny toa tsy fahafehezany ny lalàna misy!