Fitondrana Rajoelina – Manao izay tiany atao, manararaotra ny hamehana

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra manao izay tiany atao ny mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 izao, satria manararaotra ny hamehana ara-pahasalamana mihàtra eto amin’ny Firenena.

Herintaona sy telo volana eo ho eo no niditra teto ny valanaretina covid-19 ary efa mitovy amin’izay koa no nampiharana teto ny hamehana. Tsapa nandritra izay fotoana izay, fa tsy nitsahatra nanitsakitsaka ny Lalàmpanorenana sy ny Lalàna velona ny andrimpanjakana rehetra mijoro eto Madagasikara. Tsy misy afaka mandà fa misy fahefana telo miavaka tsara voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana ary manana ny andraikiny mazava tsara ny tsirairay. Ny tranga rehetra anefa dia ahatsapana fa voabaikon’ny fahefana mpanatanteraka, na ny filohan’ity andrimpanjakana ity ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpitsara.

Tsy iverenana ireo tranga nanala baraka ny Firenena toy ny “bonbons sucettes” sy “écrans plats” kanefa dia miriaria any foana ireo tomponandraikitra tamin’izany, fa tsy nandalo famotorana teny amin’ny fitsarana akory. Lalàna tsotra ihany no nitsakitsahana tamin’ireo tranga roa ireo, fa anisan’ny mahatonga ny Malagasy tsy mahatoky ny fitsarana intsony ny momba ny resaka “Governora” izay notendrena any amin’ny Faritra ho eo amin’ny toeran’ny lehiben’ny Faritra izay fidian’ny mpifidy vaventy (Ben’ny tanàna, Mpanolotsain’ny kaominina) araka ny voasotra ao anaty Lalàmpanorenana. Neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana anefa izany fanendrena izany, satria “anarana vonjy” maika hono. Tsy azo hafenina ihany koa ny voka-pifidianana filohampirenena izay na dia nisy fitoriana maro aza voarain’ity andrimpanjakana ity dia notsotsorina tamin’ny fitenenana “azo raisina fa tsy mitombona” kanefa dia nibaribary ny fahamarinan’ireny fitoriana ireny rehefa namoaka ny resaka “doublons” ny filoha lefitry ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni) teo aloha ary nesorina tamin’ny toerany rehefa namoaka izany.

Anisan’ny andrimpanjakana mpanao lalàna ary voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana ny Antenimierandoholona kanefa dia notetehin’ny filohan’ny Repoblika nofoanana ary dia notapahana ny tetibola tao na dia tsy mbola tapitra aza ny fe-potoana niasany. Ny hamehana no nahafahan’ny mpitondra nanao izany satria fitaovana politika iray araraotina amoahana didy araka izay mahafinaritra sy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny mpitondra izany. Raha ny tarehimarika ofisialy avoakan’ny fitondrana momba ny valanaretina covid-19 dia tokony nofoanana ny hamehana kanefa dia mazava fa roritina sy hitarina izany mbola hanohizana ny fanitsakitsahana ny lalàna. Toa manamarina izany ny fampandalovana ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana (LFI) eny amin’ny Antenimierampirenena, izay tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny Lalàna ny fepotoana ametrahana azy satria tadiavina ho ankahamehana hatrany ny fandaniana izany toy izay nisy hatramin’izay. Manaporofo izany fa tsy voafehin’ny Antenimierampirenena mihitsy ny fahefana mpanatanteraka, fa ity farany indray no toa manaramaso ny asan’itsy voalohany izay tena mifamototra amin’ny tokony ho izy.

Ny fahefana mpanao lalàna ihany koa no mandany lalàna tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana, raha ny sata mifehy ny mpanohitra nolaniany ary nalefany teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no jerena. Raha ny didy navoakan’ity andrimpanjakana ity dia alaim-panahy ny mpanaraka ny raharaha politika eto amin’ny Firenena fa baikon’ny mpanatanteraka ihany koa ity rafitra ity. Didy tsy azo ivalozana, hono, ny didy avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, kanefa didy efa naparitaka no nosontonina indray fa nisy fanamboarana indray hono.

Raha ireo toe-javatra ireo no dinihana dia ny filohan’ny Repoblika irery no mampisy ny andro tsara sy andro ratsy (la pluie et le beau temps) eto amin’ity Firenena ity, ka tsy misy afaka mandà izay tiany atao sy mahafinaritra azy. Tsara ny mampahatsiahy fa ampindramina ihany ny fahefana eo am-pelatanan’ny filohan’ny Repoblika, ka na ireo vitsy nandatsa-bato ho azy aza rehefa feno ny kapoaka dia hisintona ny fitokisany azy. Tsy haikaika hifanaovana intsony tokoa izao fa tsontsori-mamba hisarahana.