NANONDRANA SAHADY

Nanondrana indray ry Rakoto eny ambony.
Tsy mbola fahita ny tahaka itony,
Fa didy navoaka dia avy eo nosintonina.
Iretsy mpanohitra ve no ampiesonina?

Nanondrana indray ry Rakoto eny ambony.
(Raha tahak’izao, efa tsy avotra intsony!)
Satria tsy fahita eto ambonin’ny tany,
Ny fomba tsy matotra tahak’izany!

Anananareo ve ny fahamatorana,
Sa nododonan’ireo fozaorana,
Dia tsy nisaina, tsy namakafaka,
Fa maika, dia ‘zao tena afa-baraka!

Vao hoe mba nanomboka namoaka didy,
Dia toa hafahafa, f’angaha re voavidy?
Mba mieritrereta ry olona sivy,
Fa avo ianareo saingy toa mahakivy!

TSIMIMALO (29-06-21)