Masoivohon’i Etazonia – Ramatoa Claire A. Pierangelo no Ambasadaoro vaovao

Claire Pierangelo - Ambasadaoron’i Etazonia vaovao eto Madagasikara. (2021)

Isambilo

Nanendry ny Ambasadaorony vaovao hiasa eto Madagasikara ny filoha Amerikana Joe Biden. Ramatoa Claire A. Pierangelo no voatendry ho Ambasadaoron’i Etazonia vaovao hiasa eto Madagasikara sy hiandraikitra ny Nosy Kaomôro ihany koa. Izy no hisolo ny Ambasadaoro teo aloha, Michael Pelletier, izay lasa nisotro ronono. Efa nisahana andraikitra maro ary niasa tany amin’ny consulat an’i Etazonia tany Lagos, Nigeria, izy.

Ankoatran’ny fiteny anglisy, mahafehy tenim-pirenena maromaro ihany koa ity diplaomaty ity dia ny teny italiana, indoneziana, vietnamiana ary ny fiteny frantsay. Izy no ho masoivohon’i Etazonia vehivavy faha-3 hiasa eto amintsika tao aorian’ny Ambasadaoro Shirley Elizabeth Barnes: ny 29 jona 1998, ka hatramin’ny 28 jolay 2001, sy Wanda Nesbitt, niasa teto amintsika ny janoary 2002, ka hatramin’ny volana aogositra 2004.