Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) – Miha-ratsy hatrany ny fitantanana

Ny Valosoa

Efa ho roa taona sy tapany izao no nitondran’Ingahy Mera Vazahabe, Naina Andriantsitohaina, ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), tsy hita loatra ny fiovana eo amin’ny lafiny fandrosoana fa toa variana miady amin’ny mpanolotsainan’ny tanàna Raharinirina Clemence ity vazahabe ity, Ramatoa io koa moa dia tsy manaiky lembenana ary tsy azo tampenambava satria mahatsapa fa misy ny fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka ataon’ny mpitantana ny Tanànan’Anatananarivo Renivohitra.

Matoa mandeha ny asa ao amin’ny kaomina dia lavorary izay ny fitantanana ary misitraka ara-dalàna ny valin-kasasarany ireo mpiasa mampihodina ny raharaha. Tamin’ny fotoana nitondran’i Neny Lalao Ravalomanana ny tanàna dia tsy nahazo ny vola fanampiana avy amin’ny fitondrana foibe ny kaomina, kanefa dia voaloa ara-dalàna ny karaman’ireo mpiasa rehetra ary tamin’ny fotoanan’ny Asaramanitra toy ny 26 Jona sy Krismasy dia mbola misitraka ny fanomezana toy ny vary sy menaka ary akoho miampy vola 1 hetsy Ar ny mpiasa rehetra tsy misy nanavahana, ny anton’izany dia nisy ny fitsinjovana ny mpiasa sady nikaroka izay fomba nampidirambola ny kaomina na dia tsy nampian’ny fitondrana foibe aza.

Nampalahelo anefa tamin’ny fankalazana ny fetimpirenena farany teo fa dia zara raha nahazo “biscuits” ireo mpiasa, nasehon’ny mpitondra ny tanàna mihitsy, fa tsy miraharaha izay mpiasa sy ny fetimpirenena izy ireo, kanefa dia voaporofo fa mahazo fanampiana avy amin’ny fitondrana foibe ny kaomina, saingy mbola tsizarizary ny asa fampandrosoana, porofo tsy azo afenina satria afovoantanàna ny mbola tsy fahavitan’ny tsena “Zay maika“, efa tamin’ny volana Febroary 2020 no namboarina, hatramin’izao tsy hita izay fahavitany, kanefa dia toerana fiveloman’ny olona io.

Tsy ny mpiasan’ny Kaomina no tsy mahavita ny asany, fa ny mpitantana mihitsy no fositra, nantenaina hanirina vao mainka nampivandravandra, ary toy ny amboa nosasana ka vao mainka miha-ratsy!