Fankalazana ny 26 Jona – Nanatanteraka hetsika sosialy sy didimpoitra faobe ny kaominina Alasora

Franck Razakambelo

Zokiolona miisa 1000 mahery avy amin’ny Fokontany miisa 20 izay mandrafitra ny Kaominina Alasora Avaradrano, no nisitraka ny fanomezana solom-bodiakoho natolotry ny fiadidian’ny tanànan’ Alasora ny Zoma lasa teo ary zaza miisa 300 no nandray anjara tamin’ny didimpoitra faobe.

Ireo no hetsika nentin’ny Kaominina nanamarihana ny tsingeritaona fankalazana ny faha-61 taona nahazoan’ny firenena Malagasy ny fahaleovantena, ankoatran’ny fanatanterahana ny arendrina hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy ary nanaraka ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus eto Madagasikara izany.

Nanohy fanazavana ny Ben’ny tanàna, fa betsaka ireo asa nataon’ny fiadidian’ny kaominina Alasora tao anatin’ny herintaona sy tapany nitantanany ny tanàna, ao anatin’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fanabeazana fototra amin’ny alalan’ny fisokafan’ny Epp, ny fiantohana “Cantine” ho an’ny zaza hiatrika ny fanadinana Cepe, ny fiantoahan’ny Kaominina ny rianaratra eny anivon’ireo sekolim-panjakana, ny fampidirina ny zotram-pitaterana “F” ao an-toerana entina hanatsarana ny fitateram-bahoaka.

Tsiahivina fa tsy afaka nanatanteraka hetsika ara-tsosialy ny fiadidian’ny Kaominina Alasora tamin’ny taon-dasa, satria tao anatin’ny fanatanterahana ny fihiboahana tanteraka ny Fanjakana Malagasy tamin’izay fotoana izay.