Sylvie Razafintsalama GTT La Réunion – Tsy mijanona ny tolona raha tsy mipetraka ny tany tan-dalàna

Sylvie Razafintsalama avy amin’ny GTT La Réunion.

Helisoa

Tsy nahasakana ny halaviran-dalana miainga ao La Réunion mihazo an’i Frantsa, izay nanaovan’ny RMDM DIASPORA fihaonana noho ny fetin’ny 26 jona, fankalazàna faha-61 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena; fa tonga tany mihintsy ny avy amin’ny Gtt La Réunion sady mpikambana ao amin’ny RMDM DIASPORA Sylvie Razafintsalama.

Vory lanona ireo Malagasy namonjy io fotoana manan-danja io tany GRAY DIJON France. Tonga tao ihany koa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay mpikambana ao amin’ny RMDM ny antoko naoriny dia ny HVM. Fa tao anatin’izany dia nanambara i Sylvie Razafintsalama, fa mitolona ary tsy ho reraky ny hitolona ny ao La Réunion raha tsy miverina eto Madagasikara ny tany tan-dalàna.

Efa tamin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganampanjakàna teto Madagasikara izahay no nitolona hoy ity renim-pianakaviana ity, ary mitohy hatramin’izao. Fanjakàna tsy ara-dalàna sy tsy tan-dalàna no nisy tamin’izany. Ankehitriny hoy izy dia efa misy filoha lany tao anatin’ny fifidianana izay mbola misy adihevitra ny naha lany azy hitondra ny fanjakàna. Fa ny hita hoy Sylvie Razafintsalàma dia manjaka ny didy jadona any Madagasikara, tsy misy ny demokrasia. Olona miakanjo mena gadraina mandritra ny 3 volana, nefa ny mpanondrana volamena tsy hita izay anaovana azy. Ao anatin’izany dia miezaka izahay manampy ny any Madagasikara teo amin’ny fitsinjovana ireo gadra politika, fanampiana ny mpiara-mitolona araka izay azonay atao.