HO ELA VELONA ANIE NY FISEHOSEHOANA !

Manao izay hisehoany hatrany ireo mpitondra any aminay.
Ny fidedahana no be fa maivana ny ankoatr’izay.
Ny mombamomba ny vahoaka, kojakoja tena ilaina,
Ireny indray no gisitra aminy ka dia mahalasa saina!

E jereo ny colisee ka dia lazao tsy mihambahamba,
Inona no voka-tsarany mba ho anay izay rovi-damba?
Moa ‘zahay ve nihanafana sa nitombo ny nohanina?
Mba valio malakilaky f’aza modimody fanina!

Fanamboarana kianja, volabe no lany tao.
Ilaina izany saingy angamba tsy amin’ny andro toy izao.
Fa raha mandresy i Barea kanefa ny vahoaka noana,
Dia ambara tsotr’izao f’izany ilay hoe zava-poana!

Raha tokanana ny lalana any ivelan’ny tanàna,
Nefa ny eto an-drenivohitra, ratsy sy efa igagàna,
Dia aleo atao mahitsy sy tenenina mivantana
Fa lavitra anareo mpitondra ny fahaizana mitantana!

Manao izay hisehoany hatrany ny mpitondra any aminay.
Raha jerena ety ivelany, sady kinga no mahay.
Kinanjo nony injay hatonina, mahakivikivy saina,
Fa dia indro toy ny fasana mitahiry taola-maina!

Vidin’entana, misonga, toa tsy misy fiafaràny.
Menaka no iray alina, mbola tsisy toy izany!
Saingy toa mangina fotsiny iretsy manam-pahefana.
Moa avela hanao izay tiany ny sinoa sy ny karana?

Raharaha bonbon sucette sy ecran plat, indrisy,
Fa miriaria ny deba, arakaraka, tsy misy!
Angamba ho afaka madio ireo mpibizina rehetra.
Tena izao ilay paiso an-kady, izay mandalo dia miletra!

IRINA HO TAFITA (22-06-21)