NIPORITSAKA INDRAY

Niporitsaka indray ny trondro ngeza fa tsy tana.
Fa harato manahoana no ampiasain’ny fanjakana?
Ireo noheverina ho vaventy, mpanao bizina voretra,
Ireny indray no tafavoaka ka dia gaga ny rehetra!

Niporitsaka indray ny trondro ngeza fa tsy tana.
(Iretsy mpiandry sisintany ve no tena hoe sanàna?)
Sa mahery be ny tsindry sy ny baiko tany ho any,
Ka manaiky tsy an-tsafidy ry zalahy ety ambany?

Niporitsaka indray ny trondro ngeza fa tsy tana.
Tena izany no midika f’efa lo ny fitsarana.
Be ny zava-tsy mazava sady mampiahiahy.
Toa tsy ho an’ireo akaman’ny mpitondra ny ao Tsiafahy!

Niporitsaka indray ny trondro ngeza fa tsy tana.
Toa manodinkodin-dresaka iretsy manampahefana.
Ny mpibizina malaza, tena tsy voatohintohina,
Saingy misy ny olo-marina izay hazaina sy karohina!

Niporitsaka indray ny trondro ngeza fa tsy tana
Moa ‘ty Madagasikara mbola tany tan-dalàna?
Any Andafy no miliba sy manao ny sitrapony,
Ireo akama sy havankavan-dry zareo mpitondra ambony!

Niporitsaka indray ny trondro ngeza fa tsy tana.
Saingy indrisy, iretsy pirina, mbola any am-pigadrana!
Moa hitsefotra tanteraka ilay aferam-bolamena?
Angaha dia efa lany henatra ny mpitondra firenena?

TSIMIMALO (22-06-21)