Fitondrana Rajoelina – Tsy mbola manome vahana ny teny Malagasy

Aris

Tsy misy izay tsy mahalala fa rehefa manao raharaha any amin’ny fanjakana, na ireo taratasim-panjakana rehetra dia tsy maintsy atao amin’ny teny frantsay avokoa. Ny taratasy ifandraisana eo amin’ny samy fahefana mpanatanteraka, miainga any amin’ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta izany, na eo amin’ny ifandraisan’ny fahefana telo eto amin’ny firenena, na toy ny eny amin’ny fitsarana, sns… dia voalohany hatrany ny amin’ny teny frantsay. Midika miharihary izany, fa tsy mandala ny teny Malagasy, ary voafatotry ny teny, mba tsy ilazana hoe kolontsaina frantsay, ny mpitondra sy manampahefana eto amin’ity firenena ity. Maneho tanteraka ihany koa izany ny famatoran’ny fitondrana frantsay ny firenena Malagasy sy ny mpitondra azy.

Raha araka ny fanadihadiana, dia tsy maro an’isa, fa eo amin’ny 35% ihany no mahay teny frantsay eto Madagasikara. Dia ahoana izany ireo 65% maro an’isa? Lalaovin’ny fitondrana fotsiny sy anjakazakany? Tsy milamina amin’ny ara-pitantanana izany, ary tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Misy fiantraikany any amin’ny fampitàna fampianarana sy fanabeazana ihany koa izany, satria efa nanaporofo ny teo anivon’ny Unesco, fa ny tenin-dreny ihany no hahafahana mampita bebe kokoa, sy tsaratsara kokoa ny fahaizana amam-pahalalana ho an’ny mpianatra, ary efa nahitana traikefa izany tany amin’ny firenen-kafa efa misandratra. Izany hoe, tsy tafita amin’ny ampahany be izany ny fitaizana eto Mdagasikara nandritry ny taona maro. Tsy mivaky loha amin’izany ary tsy mamaha olana ny amin’izany ny PSE irifan’ny fitondrana mafy amin’izao fotoana izao eto.

Tsy hita soritra ny ezaky ny fitondrana ankehitriny ho amin’ny dingana fanomezana vahana izany teny Malagasy izany, eo amin’ny fifandraisana sy fiseraserana eo amin’ny samy izy mpitondra na eo amin’ny fifandraisany amin’ny vahoaka Malagasy. Midika tsotra izao izany, fa tsy mihevitra ny hampanana ny maha izy azy ity firenena Malagasy ity amin’ny alalan’izany tenin-dreny izany izao fitondrana Rajoelina izao. Ny teny Malagasy aza tsy miahotra izy rehetra eo amin’ny fitondrana manapotika sy manosihosy ny teny Malagasy rehefa miteny imasom-bahoaka.