Fitondrana Rajoelina – Sarotra ny iarovany ny fiandrianam-pirenena

Sôh’son

Mihambo ho manindrahindra ho sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena ny fitondrana ankehitriny. Raha resaka vava sy fisehosehoana ivelany aloha dia tena ilazana fa manao izany izy. Rehefa dinihina tsara anefa dia lasan-ko vavany fotsiny ihany izany. Tsy miaro ary tsy saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena ny fitondrana Rajoelina.

Manaporofo izany ny zava-misy, izay isehoan’ny fanagejana ataon’ny mpanao politka maloto frantsay sy fitondrana frantsay eto. Mbola eo ny famatorana ny firenena Malagasy amin’ny fifanaraham-piarahamiasa na “accords de coopération” napetraka hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena mandraka ankehitriny, fa mody ovaina endrika sy sarontsaronana eo. Miray tsikombakomba ratsy aminy ny fitondrana ao anatin’izany, dia ny vahoaka no ampiesonina fotsiny anaovana ronono an-tavy eo amin’ny hetsika etsy sy eroa, na amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fitondrana frantsay.

Izao fitondrana izao dia azo inoana tanteraka, fa tsy sahy hanao teny mahitsy sy hentitra amin’ny fitondrana frantsay amin’izay rariny sy hitsiny mendrika an’i Madagasikara. Tsy izao fitondrana Rajoelina izao velively no inoana, fa hanana fahasahiana hiteny toy ireo mpitondra any Amerika latina toy ny tany Venezuela, ohatra, na ny ao Afrika toa an-dry Paul Kagamé ao Rwanda. Tsy hisy mihitsy koa amin’ireo mpiara-miasa aminy toy ny eo anivon’ny governemanta ho sahy amin’izany. Nefa ireo avo vava sy miseho ho hentitra sy masiaka amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana eto amin’ny firenena rehefa mba te haneho hevitra momba ny firenena.

Inona izany, tsy midika ho fitaovana eo am-pelatanan’ny fitondrana frantsay ve izy ireo, mba tsy ilazana hoe: saribakoly? Tsy mbola nahita na nandre teto ny Malagasy nataon’i Andry Rajoelina rehefa isaky ny andron’ny 29 Martsa, miampanga sy manameloka ny fitondrana frantsay, fa izy ireo namono Malagasy sy nampandriaka rà Malagasy teto tamin’ny taona 1947- 1948 nandritry ny fanjanahantany. Sarotra ny hino ny hisian’izany, izay midika fa tsy saropiaro amin’ny fiandranam-pirenena ity izany ny fitondrana fa mba resaka sy fihatsarambelatsihy dia atao.

Tsy mbola nisy fitondrana Rajoelina izany nidina teny amin’ireo isiana tranga fanjakazakana ataon’ny karana mibodo sy maka an-keriny ny tanin’ny vahoaka Malagasy, toy ny eny Antanandrano izay resabe ankehitriny, misy olona mitomany, na any amin’ny toeran-kafa ihany koa, ka handraisan’ny fitondrana fepetra avy hatrany fa an’ny malagasy ny tany. Tsy mbola misy izany ary tsy antenaina hisy. Fiandrianam-pirenena no voatohintohina amin’izany, fa tsy mihetsi-bolomaso ny fitondrana.

Dia hisehoseho indray ho manana ny maha izy azy ny fitondrana miaraka amin’ny foloalindahy amin’ny andron’ny 26 Jona eny Mahamasina. Izay ilay fisehosehoana ivelany fotsiny, fa ny fositra manosihosy ny fiandrianam-pirenena tsy voajery. Hitehaka aza ny mpitondra frantsay sy izay olony miasa eto Madagasikara hasaina eny hisaina mangina, fa raha tsy izy ireo tsy toy io ireo mpisehoseho ireo. Esoin’ny olona anaty fotsiny ilay firenena Malagasy noho ilay mpitondra azy ihany. Dia ho toy izany hatrany no hisy eto amin’ity firenena ity mandrapaha oviana? Mampalahelo sy mahantra ilay vahoaka Malagasy sy ny fireneny 61 taona aty aoriana ny niverenan’ny fahaleovantenany.