Seces Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara – Mitaky vahaolana maharitra amin’ny olan’ny fampianarana ambony

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny olana mateti-pitranga amin’ny fampianarana ambaratonga ambony eto amintsika, izay manerana an’i Madagasikara mihitsy, mitaky vahaolana maharitra amin’ny fitondram-panjakana ny Seces, na ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toliara.

Ny savorovoro amin’izao fotoana hoy ny fanambarana dia midika ho famonoana hasina ny fampianarana ambaratonga ambony, ka namoizana aina, nahamaizana tranona mpampianatra miisa 3, ary naharatrana mpianatra. Manameloka tanteraka ny fihetsika feno habibiana nataon’ireo tsy mataho-tody izy ireo. Miantso ny tompon’andraikitra hanokatra fanadihadian lalina sy hanafay faran’izay henjana ireo nahavanon-doza na iza na iza. Miantso fitoniana ho antsika Malagasy koa izy ireo, ka handala toy ny anakandriamaso ny fifanajana, ny firaisankina ary ny soatoavina maha-Malagasy. Toheriny ny endrika herisetra mitranga ao anaty hetsika fitakiana atao, na avy aiza, na inona antony. Mitaky izy ireo ny hitandrovana toy ny anakandriamaso ihany koa ny antsoina hoe: Franchise Universitaire.

Mampalahelo hoy ny fanambarana ilay toetsaina hoe:”izay milalao ihany no mahazo”. Isaky ny mikorontana ny mpianatra dia poa toy izay dia mivaha ny olana. Aoka ireo tompon’andraikitra hampitsahatra io fomba fanao io, izay manome ohatra ratsy ho an’ny tanora izany. Manainga ny fitondrana izy ireo, mba hamaha faran’izay haingana ny fitakian’ny mpianatra sy ny mpandraharaha. Manamafy ny fitakiana dia ny handoavana ny 25% sisa tavela amin’ny HC 2017-2018 tsy iandrasana digitalisation. Eo koa ny resaka Irsa 10% izay mbola manjavozavo. Vonona amin’ny fifampiresahana ny Seces, na atao tsinontsinona matetika ireo miresaka am-pitoniana. Miantso ny fitondrana mahefa koa izy ireo, mba samy handray andraikitra, ka hametraka vahaolana maharitra, mba hampisy fitoniana maharitra ihany koa.