26 jona ho avy – FFKM – Nivavaka ho an’ny tanindrazana noho ny fetim-pirenena

Niaina

Noho ny fetim-pirenena ho avy ny sabotsy 26 jona ho avy izao, nitondra vavaka ho an’ny tanindrazana ny FFKM, na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara.

Notontosaina teny amin’ny Ekar Katedraly Andohalo ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ny alahady faha-20 jona 2021 teo, nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro. Izany dia fanamarihana ny fankalazana ny andron’ny faha-26 jona 2021, izay hankalazana ny fahatsiarovana ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena, sy ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy.

Izao fotoana izao dia natao ho fisaorana an’Andriamanitra, sy ho fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana ary ho fitrotroana am-bavaka ny vahoaka malagasy. Nitarika ny fotoana tamin’izany ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy mianaka avy ao amin’ny FFKM. Tonga nanotrona ity fotoan-dehibe ity ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, manam-pahefana, mpanao politika, sy ny olon-tsotra ihany koa.