Mpianatry ny Oniversite – Sazio ireo mpitandro filaminana namono mpianatra

Franck Razakambelo

Miombom-po amin’ny hetsiky ny mpianatry ny Oniversite manerana ny nosy, ireo fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra manohy fianarana eny amin’ny Oniversite Antananarivo ary manameloka ny fitifirana basy tena izy amin’ny mpianatra ambaratonga ambony, izay mitaky ny zony, nataon’ny mpitandro filaminana ny herinandro lasa teo.

Araka ny nambaran’i Andrianomenjanahary Tahiana Fabrice, mpitondra tenin’ny fikambanan’ny mpianatra, no sady filohan’ny fikambanan’ny mpianatra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana dia mandidy ny fitondram-panjakana, mba hampihàtra ny sazy henjana amin’ny mpitandro filaminana, izay tompon’antoka tamin’ny famonoana ny mpianatra ary mampahery an’ireo mpianatra naratra ao amin’ny Oniversite Toliara nandritra ny fihetsiketsehana natao ny herinandro lasa teo izy ireo. Nanamafy ireo fikambanan’ny mpianatra avy any amin’ny faritra izay mandranto fianarana eny amin’ny Oniversite Antananarivo, fa tsy ilain’izy ireo ny tompon’andraikitra mitavozavoza sy manao ankilabao ny hetahetan’ny mpianatra, sy ny ho avin’ny Oniversite ary miantso ny filoham-pirenena, mba hijery akaiky ny toe-draharaha, fa mampijaly ny mpianatra ny zava-misy eny amin’ny Anjerimanontolo.

Ankoatra izany dia manohitra ny fomba fiasan’ny Croua, izay manakorontana sy mampiady ny samy mpianatra ireo fikambanan’ny mpianatra avy any amin’ny faritra ary mangataka amin’ny ny fitondram-panjakana, mba hanoloana an’ireo mpitantana tsy mahomby.

Namarana ny fanambarana nataony ireo fikambanan’ny mpianatra, fa mitaky fandraisana andraikitra matihanina ho an’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny Oniversite manerana ny nosy izy ireo. Marihina fa maromaro ireo fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra, izay niara-nanao fanambarana omaly alatsinainy maraina, teny amin’ny Oniversite Antananarivo: ao anatin’izany ny faritra Androy, Menabe, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Ihorombe, Amoron’i Mania, Bongolava, Atsinanana.