Rajoelina lasa any Frantsa – Tsy “motif impérieux” ny famonjena “confirmation”

Ny Valosoa

Tsy milamina ny eto amin’ny tanàna satria any Toliara misy ny fifandonana eo amin’ny Zandary sy ny mpianatra, satria tsy mbola naloan’ny fitondrana ny vatsimpianaran’ny mpianatra izay voasoratra ao amin’ny tetibola efa nankatoavin’ny Antenimiera roa tonta . Nisy ny fanambarana nataon’ny Masoivoho Frantsay momba ny vaksiny izay niteraka fisavorovoroana ho an’ireo efa nahavita vaksiny. Manginy fotsiny ny fitakian’ireo orinasa nahavita ara-dalàna ny asany kanefa tsy voaloa vola efa ho herintaona mahery izao.

Ireo no voalaza fa mbola maro ireo toedraharaha tsy mandeha amin’ny laoniny kanefa dia tsy nahasakana an’Ingahy Filoha mianakavy tsy ho any an-tanindrazany izany. Hatao «confirmation » amin’ny alahady izao ny zanany vavy, ka nandeha izy mivady, satria hono ankoatran’ny maha Filohan’ny Repoblika azy dia raimpianakaviana izy, ka manao ny adidy amin’izany.

Ny alahady 13 Jona 2021 tamin’ny fandaharana fanaony isa-tapabolana dia mbola nanamafy Ingahy Filoha Rajoelina, fa na efa nohalefahana aza ny fepetra raisina eo amin’ny fitandremam-pahasalamana dia mbola tsy sokafana aloha ny habakabaka, ny dikan’izany tsy mbola malalaka ny sidina miditra sy mivoaka mankany ivelany, ary mbola ireo antony lehibe tsy azo anoharana na “ motif impérieux” ihany no mahazo alalana miditra sy mivoaka. Nahamenatra anefa fa ny talata 15 Jona 2021, roa andro taorian’ny nikabarian’Ingahy Filoha dia nodikainy ankitsirano izay nambarany, fa dia lasa soa amantsara izy mianakavy niampy an-dRamatoa Talen’ny serasera taloha, nisidina any an-tanindrazany izy ireo.

Mikasika ny fanambarana nataon’ny Masoivoho Frantsay dia miezaka mitady fanazavana any amin’ny OMS Ingahy Minisitra miadidy ny fahasalamana, maro ireo vita vaksiny no nihorin-koditra, satria raha misy fiantraikany amin’ny lafiny ara-pahasalamana tokoa anie ilay vaksiny dia tena “effroyable”mihitsy, fa ny fanazavana nentin’ny Filoha Ravalomanana nandritra ny fiarahabana azy noho ny fetin’ny Ray omaly teny Faravohitra dia mazava ary nampitraka ireo vita vaksiny, satria nambaran’ny Filoha Ravalomanana, fa tsy nitsahatra nifandray tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny OMS sy ny Vondrona Eoropeana ny tenany, ary samy nanamafy ireo roa tonta ireo, fa tsy misy atahorana ny lafiny ara-pahasalamana satria vaksiny ara-dalàna no tonga teto.

Milamina ny sain’ireo vita vaksiny fa nampalahelo ireo mbola naniry ny hanao vaksiny ny alakamisy 17 Jona 2021, satria nisy ny baiko nidina nampitsahatra ny fanaovam-baksiny ny marainan’ny alakamisy dia notohizana indray ny antoandro, izay manaporofo fa tsy matotra ny mpitondra, fa ny tena marina dia tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra mihitsy ny firohotan’ny vahoaka Malagasy nanao vaksiny taorian’ny nanaovan’ny Filoha Ravalomanana izany vaksiny izany, azo antoka mantsy fa tapitra ny 250000 isa raha tsy noelingelenina ny andro farany ary dia ho vasoka tanteraka ny fitondrana.

Ny Filoha Ravalomanana dia nanambara tamin’ireo vita vaksiny fa ho avy ny vaksiny andiany faharoa ho an’ireo nahavita ny andiany voalohany, ny vahoaka malagasy rahateo nahazo toky satria tsy ny ho any Frantsa anie no tanjona fa ny ho salama sady tsy any Frantsa ihany koa anie no Andafy e!

Fa raha hiverenana ny mikasika ny dian’Ingahy Filoha mivady niaraka tamin-dRamatoa Talen’ny serasera any an-tanindrazany dia azo hizingizinina fa tsy “motif impérieux” izany fanatrehana ”confirmation” izany , sa kosa ni-”confirmer” ny fahazoana ny “iles éparses “ any amin’ny Reny Malalany Ingahy Filoha, raha izay kosa aloha dia omena ny rariny izy satria efa ny 26 Jona 2020 no efa nampanantenaina ny fiverenan’ireo Nosy Malagasy ireo. Mikasika ny fandehanan-dRamatoa Tale indray dia vao mainka tsy “motif impérieux”, satria Ramatoa io araka ny vaovao dia mbola misy ny raharaha izay mahasaringotra azy any amin’ny fitsarana.

Ho tonga ny alahady izao hono Ingahy Filoha raha ny vaovao navoaka, dia ho hita eo raha hiara-hiverina aminy Ramatoa Tale fahiny, na tonga dia sambo milentika any an-tanindrazany, dia andrasana koa izay fanazavana avy amin’Ingahy Filoha mikasika ireo toe-draharaha tsy milamina eto amin’ny firenena, satria efa fomba fanao iraisampirenena ny tafatafa ataon’ny Filoha isaky ny miditra na mivoaka ny firenena, fa tsy voatery hiandrasana ny fihaonana isa-tapabolana ny fanazavana ny raharaha rehetra.