Olan’ny tany eny Antanandrano – Mihevitra handrodana ny tamboho nataon’ilay orinasa ny mponina

Niaina

Mbola mafana hatramin’izao ny olana mahakasika ny ady tany eny Antanandrano Antananarivo Avaradrano, eo amin’ireo mponina nandova izany tany izany, sy ilay orinasam-pifandraisan-davitra mibodo izany tany izany, satria mbola manohy mamefy ilay tany ity orinasana karana ity.

Noho izay antony izay, mihevitra ny handrodana izany tamboho mbola hajoron’ilay orinasa izany ireo mponina any an-toerana. “Arodanay io tamboho io rehefa tsy handray andraikitra ianareo mpitondra fanjakana”, hoy ireo mponina miady tany amin’ilay orinasa manangana fotodrafitrasa.

Mahakasika ity raharaha ity, tonga teny an-toerana ny depiote voafidy tao Avaradrano, avy amin’ny antoko TIM, Gerry Randriambolaina, nanazava tamin’ireo mponina mikasika ny fanadihadiana efa nataony momba ity raharaha ity. Nohamafisiny fa mbola mandeha ny fitsarana mikasika ity raharaha ity, ka noho izany dia tsy tokony hisy afaka hilaza fa tompon’ny tany, hoy izy. Nangataka ity orinasa ity, noho izany izy, mba hampitsahatra ny asa fanorenana ary nangataka ireo mpitandro filaminana miambina izany ihany koa, mba hiala ao, satria misy tsy ara-dalàna ao matoa misy izao hetsika ataon’ireo mponina mpandova izao.