Mpiofana ho mpampianatra CRINFP – Ivon-toerana 1 amin’ny 28 no mbola nahazo didy fanendrena

Stefa

Mimenomenona sy mitaraina ireo mpampianatra mpiofana, tamin’ny CRINFP, na Centre Regionale d’Institut de Formation Pédagogique, amin’izao fotoana, satria maro dia maro amin’izy ireo no mbola tsy nahazo ny didy fanendrena azy ireto hatreto. Araka ny fanadihadiana sy vaovao voaray, mpampianatra mpiofana amin’ny CRINFP miisa 1 amin’ny amin’ireo CRINFP miisa 28 manerana ny Nosy ihany hatreto no nahazo izay didy fanendrena izay.

Anisan’ireo velon-taraina ireo niofana ho mpampianatra ” promotion 2018-2020″ tamin’ny CRINFP (Centre Regionale d’Institut de Formation Pédagogique) manerana ny nosy. Miisa 28 ny ivon-toeram-piofanana ho mpampianatra manerana an’i Madagasikara, CRINFP Mahabibo Mahajanga irery ihany no efa nahazo. Izany hoe mpiofana amin’ny CRINFP miisa 27 no mbola tsy nahazo didy fanendrena hatramin’izao.

Mangataka amin’ny ministeran’ny fanabeazampirenena izy ireo, mba hanomezana daty matotra hizarana ny ” arrêté de nomination” izay mbola tsy nahazo. Efa ela no niandrasan’izy ireo izany saingy mbola tsy mivoaka hatramin’izao. Rehefa nanontany ireo tompon’andraikitra izy ireo, dia kely sisa no valinteny azo. Maro amin’izy ireo anefa no monina any amin’ny faritra hafa ivelan’ny ivon-toeram-piofanana, tsy afaka mody noho ny fiandrasana izany.

Angatahin’izy ireo ny mba hanomezana daty tokony hizarana izany, araka ny fampanantenana izay nomen’ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, dia ny hoe alohan’ny 26 jona no hizarana ny didy fanendrena ho an’ny rehetra. Efa higadona anefa ity fetim-pirenena ity, tsy mbola misy daty na peta-drindrina milaza hizarana azy hatreto.

Anisan’ny mitamatama amin’izao fitondrana Rajoelina izao koa, ny ao amin’ity ministeran’ny fanabeazampirenena ity eto amintsika.