Filoha Ravalomanana – Tsy misy atahorana ny vaksiny natao teto amintsika, ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana aza nitsindrona azy

Helisoa

Noho ny fetin’ny Ray rahampitso alahady, ka mba samy hanaovan’ny fianakaviana fety any an-tokatranony avy dia naroso omaly zoma 18 jona ny fiarabana ny filoha Marc Ravalomanana noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Ray izay.

Faly aho, tena faly hoy Dada satria androany hoy izy, mantsy ny omaly zoma, no fotoana natokana ho fifampiarahabana tratry ny fety miaraka amin’ireo raim-pianakaviana ao amin’ny antoko TIM sy ny vondrona RMDM ary ny mpiara-miasa rehetra. Noho izany dia mahatsiaro ireo Ray rehetra aho hoy izy na ny eto an-tanindrazana sy any ivelany amin’izao fankalazana izao. Maro ny ady sarotra mahazo anareo hoy i Dada , nefa matokia fa raha mbola misy ny farany dia tsy ho foana ny fanantenana.

Nasiany teny koa ny resaka vaksiny izay naha be resaka tamin’ny andro nifaranan’ny fanaovana vaksiny andiany voalohany . Efa nanontany ny Vondrona Eoropeana sy ny OMS aho hoy ny filoha Ravalomanana dia niteny taminy ireo tompon’andraikitra ambony ireo, fa omeo toky ny olona efa nanao vaksiny fa tsy misy olana ny ara-teknika sy ny ara-tsiantifika momba io vaksiny io ary efa neken’ny OMS io. Ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana aza efa nanao vaksiny Covishiel ihany koa. Resaka ekonomia io satria tsy maintsy mahazo alalana any amin’ny firenena iray ny fanafody vao afaka miditra.

Fa nasiany resaka ihany koa ny resaka satan’ny mpanohitra. Mbola miantso ny mpitondra fanjakàna ny filohan’ny RMDM hampihàtra ny satan’ny mpanohitra, fa mpanohitra ara-dalàna no misy eto hoy izy. Tsotra nefa nafonja ny fankalazàna ny fetin’ny Ray tao Faravohitra, satria sady voky ny fanahy tamin’ny alalan’ny fotoampivavahana sy ny rotsirotsy ara-pilazantsara nentin’ny mpanakanto Mialy Rakotomamonjy. Teo ihany koa ny fampihomehezana nentin’i Gothlieb ary ny fihainoana ny feo mangan’i Bodo.

Ny gazety Ny valosoa vaovao dia miarahaba sahady ireo raimpianakaviana rehetra tratry ny fety . Homba anareo mandrakariva anie ny Tompo.