Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM – Vonona amin’ny fandraisana ny synôda lehibe i Sambava

Aly

Nanomboka ny 16 jona 2021 teo ary tsy hifarana raha tsy ny 23 jona 2021 ho avy izao etsy amin’ny CFD Ampandrana, sy eny amin’ny FJKM Andrainarivo, ny fivorian’ny
Mpiandraikitra Foibe ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, na ny FJKM.

Anisan’ny lahadinika amin’izany, ny raharaha maika indrindra aloha no hotapahina, toy ny tetibola hoenti-miasa sy fankatoavana ireo Tonia sy Tale ary fandraisan-tànana mpitandrina ary indrindra koa mahakasika ny Synôda Lehibe, izay hotanterahina any Sambava faritra Sava, ny 11 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao.

Fantatra nandritra izany hatreto, fa efa vonona ny amin’ny ho fandraisana ny Synôda Lehibe FJKM 2021, ny any amin’ny renivohitry ny faritra Sava. Maro ireo avy any
amin’ny faritra miatrika izao fivorian’ny MF, na ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izao.