EPP Besarety – Skoto Fanilon’i Madagasikara – Nanolotra sakafo nandritra ny volana an’ireo mpanala fanadinana

Aly

Nanolotra fanampiana sakafo ara-pahasalamana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana ao amin’ny EPP Besarety, nandritra ny iray volana ny skoto Fanilon’i Madagasikara, notarihan’i Cheftaine Fandresena.

Nifarana omaly izany fanampiana ara-tsakafo, izay nataon’izy ireo izany. Ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana CEPE ao amin’ity sekoly ity, no nomen’izy ireo sakafo be proteina, toy ny sakafo samy hafa avy amin’ny ronono nandritra ny iray volana.

Lohahevitr’izao fanampiana natao izao hoy i Cheftaine Fandresena ny hoe : « ny sakafo maro loko haninao anio dia ho antoky ny hoavinao mamiratra ». Natao ihany koa izao fanampiana ara-tsakafo izao mba hampitomboina ny fitadidiana eo amin’ireo mpianatra, amin’izao ankatoky ny fanadinana hatrehan’izy ireo izao, afaka andro maromaro.

Anjara biriky raisin’ny Fanilon’i Madagaasikara ihany koa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo an-tsekoly izao hetsika ara-tsosialy izao.