Fifamoivoizana an-drenivohitra – Mijaly ny mpampiasa làlana eo Analakely-Soarano

Radafy

Efa andro maro izao, na herinandro vitsivitsy no sarotra dia sarotra ny mamakivaky eo Analakely mihazo an’i Soarano iny, indrindra rehefa miha atoandro sy ny tolakandro iny. Tsy maharaka ny fiarakodia mifamoivoy ny lalana. Fitohanana lavareny maharitra fotoana ela dia ela, efa ho ora iray mahery vao tafavoaka raha miainga eo amin’ny manodidina ny Lisea Rabearivelo mandra-pivoaka eny amin’ny Soarano na Behoririka na tonga eny Antanimena.

Anisan’ny miteraka ny olana ho an’ny fiarakodia, dia ny fametrahana arofanina vy amin’ny sisiny roa eo Soarano hamerana ireo mpandeha an-tongotra tsy hanery ny lalan’ny fiara na ny arabe. Lasa lalan-tokana ho an’ny fiarakodia araka izany ny arabe, kanefa mibosesika ny fiara miditra amin’izany lalana izany, indrindra amin’ny fotoanan’ny “heures de pointe”. Ny olona mifamoivoy ihany koa tsy lazaina intsony any ambadik’ireo arofanina vy roa, ary tsy lazaina intsony ny fifanosonana ao anatin’izany, ary tsy voahaja tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy mahita ho lazaina amin’izany ny fitondram-panjakana fa milalao tanana fotsiny.

Tsy natao ho an’ny maika hamonjy fotoana ny mandalo eny amin’izao fotoana izao ary mety ho hatrany ambadiky ny andron’ny fetin’ny fahaleovantena. Raha manenjika fotoana dia aleo mihitsy miova lalana, ho an’ny olon-tsotra, fa ny an’ny taxibe ny fitohanana toy izao efa sakafony isan’andro iny. Tsy azony ialàna, raha manova lalana kely aza mahita faisana amin’ny polisy. Saika amin’ny andro na fotoanan’ny fety toy izao, dia toy izao hatrany ny zava-misy sy mitranga eny amin’iny faritra sy lalana eto an-drenivohitra iny.

Efa lasa fomba fiasan’ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ihany koa ny mametraka ireo arofanina vy eny an-toerana. Mila mitady vahaolana ialàna na hanamaivanana izany farafaharatsiny ny tomponandraikitr ny CUA, fa izany hatrany ve no iainam-bahoaka maharitra. Ny hitady izany ihany koa no hanakaraman’ny vahoaka azy ireo. Ho an’ny mpitatitra sy ny mpitondra fiarakodia, mitombo be ny fandaniana solika noho io fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny eo Analakely-Soarano io.