EDITO 19 Jona – Politikam-pampandrosoana : mila iverenana dinihina fa tsy mahomby

Sôh’son

Izao fitondrana Rajoelina izao tsy hahavaha velively ny olana fototra mangeja ity vahoaka malagasy ity. Raha izao fomba fiasany izao sy ny teny ambarany etsy sy eroa amin’ny alalan’ny olony samihafa isan-tsokajiny, dia ho maro ny olom-pirenena ho voafitaka eto. Efa iaraha-mahalala ny teny fampanantenana marobe izay zara raha misy tanteraka. Misy amin’ireo aza efa asa na vava asan’ny mpitondra teo aloha avokoa, ary efa ao anaty fifanarahana vita sonia nifanaovana tamin’ny mpamatsy vola, fa ny fotoana namitana azy no misy fandaminana tsy maintsy tonga amin’izao fotoana itondrany izao.

Niara-ren’ny rehetra ny filazana momba ny zava-mitranga tany amin’ny Oniversitén’i Toliara, ary namoizana ain’olona indray toy ny tany Toamasina. Noho ny fitaovam-piadiana nampiasain’ny mpitandro filaminana no nahatonga izany famoizana ain’olona izany. Ny nanaitra ny sain’ny maro, dia hoe, f’angaha rehefa tsy mpianatra dia tsy mahataitra na maty aza? Ny tany Toliara io hambara io. Ny teboka iray mahasorena ny olom-pirenena ihany koa, dia ny filazana fa misy ambadika politika tao. Ny tomponandraikitra izay milaza izany, dia tena efa manao fijery lany andro. Efa tany amin’ny taona 80 sy 90 tany ho any no efa nipoitra io fomba fijery amin’ny hetsiky ny mpianatra io, dia izao mbola milaza izany ihany. Raha tena mahay ny asany sy ny andraikitra napetraka taminy, vantany vao mandray ny toerana dia efa mitady ny fomba rehetra isorohana ny tsy itrangan’ny hetsika eny amin’ireny Oniversitem-panjakana ireny. Rehefa tsy mahita hevitra sy vahaolana ny amin’izany dia tokony tsy handray ny andraikitra, fa tsy manana na tsy ampy traikefa, ary mandany ny volam-bahoaka, sy mampikorosy ny tontolon’ny seha-pampianarana ambony fotsiny. Ny zana-bahoaka mianatra eny amin’izany no tena lasibatra hatrany.

Amin’ny tranga maro samihafa no ahatarafana io tsy fahitan’ny fitondrana ny olana fototra io, sy ny vahaolana mahomby amin’izany ao anaty fotoana voafetra. Anisan’izany ny eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina, toy ny fihariana ho amin’ny fivelomana, ny tsy fandriampahalemana, sns… Hamaha ny olan’ny mponina amin’ny fifamoivoizana sy fitaterana, hono, ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, dia ny “bus class” no vahaolana entiny; ny an’ny fitondrana indray “téléphérique” sy ny “tramway”. Tena hahavaha ny olana fototry ny vahoaka ve izany? Tsia. Zara mba hanampiana ny seha-pitaterana fotsiny ihany izany raha tanteraka.

Hihodinkodina fotsiny eto ny itondrana ny fiainam-bahoaka, ary ny fampandrosoana ho toy ny “akoho mivoaka maraina, fa tsy lasa lavitra”. Ilay fototry ny politikam-pampandrosoana apetraky ny fitondrana mihitsy no mila iverenany dinihina lalina, fa tsy mifandraika amin’ny zavatra andrasan’ny vahoaka Malagasy, sy heveriny hotanterahina ao anaty fotoana voafaritra mazava tsara.