Kaominina Alasora – Farany vao nirodorodo nanao vaksiny ny olona

Rajo

Nambaran’ny ben’ny tanànan’Alasora distrikan’Antananarivo Avaradrano, Randriantsoa Jimmy fa farany vao tena nirodorodo nanatanteraka vaksinin’ny covid-19, izay tokony hifarana amin’ity anio ity ny olona. Nahatratra 80 hatramin’ny 100 isan’andro no tonga nanao vaksiny raha ny fanazavany, satria anio no tokony hifarana izay fanaovana vaksiny fanefitry ny covid-19 izay.

Nanamafy anefa ny ben’ny tanàna omaly, fa mbola manentana hatrany ny mponina izy, mba hanao vaksiny satria zava-dehibe loatra ny fanaovana vaksiny mba hiarovana amin’ny aretina coronavirus. Ireo olona nanaovana fanadihadiana dia nilaza fa izao vao tena tapa-kevitra, satria matahotra aretina.

Ankoatr’izay, dia nilaza ihany koa ireo olona nanaovana fanadihadiana, fa tsy misy afa-tsy fiarovan-tena ihany no zava-dehibe amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Nilaza ihany koa ny ben’ny tanàna, fa miara-miasa foana amin’ny médecin chef eny an-toerana ny kaominina amin’izao ady tsy iparitahan’ny valanaretina coronavirus izao.