ZARA MIRA NO ATAOVY

Zara mira no ataovy ry filohanay hajaina,
Fa tsy ‘reo vangianao ihany ho hahazo izay ilaina.
Tsy propagandy foana, tsy propagandy hatrany
No iainanay vahoaka k’aza faly ny amin’izany.

Raha rain’ny Malagasy dia fadio ny zara vilana,
ry ialao hatrany hatrany ilay fijery mitongilana.
‘Ndeha tohano ny rehetra, aza asiana fanavahana,
Fa tsy ianao no hanangana eto ny efitry ny fisarahana!

Soa ho anay vahoaka hatrany, izay no tanjona ifikiro.
Amin’ny sehatra rehetra, mijoroa ho tena jiro.
Tsy ho jiro diso toerana, any ambany farafara
Ka dia hanazava irery ireo mitonona ho mapara!

Raha rain’ny Malagasy, tsy an’antoko iray intsony,
Dia meteza ho modely sy fitaratra eny ambony.
Zara mira no ataovy, tsisy tombo tsisy hala,
Dia hiadana, ho finaritra ‘ty tanindrazana malala!

IRINA HO TAFITA (16-06-21)