MPITONDRA DEDAKA NEFA TSY MAHALOA TROSA!

Ahoana ireo vola tsy misy voaloa
Fa ny trosanareo ity toa miakatra foana?
Tsy izao ve no sarin’ny kitoatoa
Mahazatra ny ekipanareo “mamba noana”?

Tsy sehatra iray intsony izao no mitaky
Fa maro ireo efa manao fitokonana.
Asio vahaolana tena malaky,
Sao lasa miafara amin’ny fifandonana!

Avia ka jereo, itondray vahaolana
Ireo mpiasa maro mitaky ny zony,
Fa efa mananika ny dimy volana,
No tsy nandray izay karamany intsony.

Ny mpianatra moa tena mihafy dia mihafy.
(Ny vatsim-pianarany, mazàna tara!)
Ny zanakareo nefa izao any Andafy,
Ny vatsy isan-taonany iray miliara!

Ny mpandraharaha, efa maina dia maina.
(Ireo asa, efa vita, ny vola mihitsoka!)
Sendra mpitondra izay te hoderaina,
Kanefa azo ambara fa tsy misy hafitsoka!

…Tsotra ny teny izay tiana hampitaina,
Ho anareo ry mpitondra tsy mahefa trosa.
Mialà, mipetraha, dia meteza haka saina,
Fa tena efa be ireo no sady miavosa.

Ny akoho tsy naneno roa taona sy tapany,
Angamba efa maimbo, efa ho lanin’ny kary.
K’aleo dia halevina rehefa tsy tsapany,
Sao dia ho poizina tena hankarary!

TSIMIMALO (15-06-21)