EDITO 17 Jona – Miankina amin’ny fahamarinana ny fisandratan’ny firenena

Sôh’son

Mila olo-marina ity firenena satria tena mahantra izany izy, izay fositra iray lehibe io mahatonga azy ho amin’izao toerany izao. Ny firenena izay feno 61 taona niverenan’ny fahaleovantena, ao anaty fahantrana lalina ny vahoaka malagasy, gisitra ny firenena amin’ny laharana izay mahantra indrindra maneran-tany, manjaka ny tsy fandriampahalemana amin’ny asan-jiolahy sy dahalo, tsy mihena ny kolikoly, mbola mamaka lalina ny fahalovana.

N’inona n’inona atao eto, tsy misy zavatra hanjary raha mbola tsy mitoetra sy manjaka izay fahamarinana izay. Tsy mahavaha olana ny fotodrafitrasa anaovan’i Andry Rajoelina sy ny fitondrany angoan-tenda sy resabe amin’ny haino aman-jery. Miankina amin’ny toe-tsaina io fivoarana sy fandrosoana io, fa tsy amin’ny zavatra toy izany. Mihevitra mantsy izao fitondrana ankehitriny izao, fa rehefa misy asa mivoitra, dia mandeha ho azy tsy hisy olana ny zava-drehetra. Hadisoana bevava eo amin’ny seha-pitantanana izany. Ny zavatra atao ankinafinafina rehetra eo amin’ny fitantanam-pirenena dia tsy fahamarinana avokoa na inona endriny. Misy fiantraikany eo amin’ny fitantanam-pirenena sy amin’ny vahoaka izany.

Izao fitondrana izao, dia hitam-bahoaka sy fantany fa tsy ahafantarana ny tena marina. Vao niandoha fotsiny tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena izany no niainga, ary nitohy tamin’ny fiakarana teo amin’ny fitondrana, sy ny sisa manaraka rehetra taorian’izay mandraka ankehitriny. Tany am-piandohana aza niseho mihitsy ny fanenjehana ireo olom-pirenena mitady ny marina momba ny fifidianana sy ny voka-pifidianana, izay niaraha-nahita tsara ireny teny anoloan’ny lapan’ny tanàna ireny. Midika zavatra be dia be ireny ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka lalina ny raharaham-pirenena. Maro ireo tranga samihafa heverina ho raharaha lehibe mifono kimaizimaizina no ilàna fanazavana marina avy amin’ny fitondrana no nampanginina moramora tany ho any.

Nisarika ny sain’ny maro ny fahasahiana lehibe nataon’ilay tovolahy, niasa tao amin’ny ministeran’ny fahasalamana namaky bantsilana ny fomba fiasa nataon’izy ireo tao izay tsy araka ny rariny sy tsy hitsiny raha araka ny fanazavany. Nanamafy izay ihany koa, naneho hevitra tamin’ny tambazotra serasera ny rahalahiny. Finiavana hamoaka ny marina amin’ny zava-misy eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana izany, ary zava-dehibe satria mila mahafantatra ny vahoaka. Irariana ny mbola hisian’ny olona hafa mpiasam-panjakana hanaraka izany nataon’izy ireo izany, satria izany no tena fanavotana sy fanarenam-pirenena raha tiana hisandratra marina ity firenena Malagasy ity.

Ny fanandratana an’i Madagasikara tsy amin’ny fisehosehoana ivelany fotsiny izay misy fiantraikany any amin’ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano sy ny ati-vilanin’ny sarambem-bahoaka, fa mila miainga any anaty fo sy toe-tsaina mandala ny fahamarinana, manàja ny rariny sy hitsiny.