Rinah Rakotomanga – Nandositra na nampandosirina any Frantsa

Niaina

Fantatra izao fa lasa any Frantsa afak’omaly alina ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, Rinah Rakotomanga. Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao izao fandehanany any ivelany izao, dia na nandositra na nampandosirana izy. Andro maromaro tokoa izao no efa niseho tamin’ny gazety sy ny haino aman-jery ny raharaha mahakasika azy ao amin’ilay orinasa SMMC any Toamasina, izay mahavoarohirohy azy amina vola an’arivony tapitrisa ariary.

Araka ny vaovao voaray, Passeport diplaomatika vao nalaina ny 08 jona 2021 no nampiasainy, nanainga ny 15 jona 2021 tamin’ny 8 ora hiazo an’i Paris CDG, sidina AF935. Araka ny voalaza teo anefa, misy ny afera maloto nataon’ity olona tafaporitsaka ity, toy ny raharaha SMMC, izay tokony hiantsoan’ny BIANCO azy. Ho an’ity Ramatoa ity, mitoetra foana ny fomba fiteny izay hoe: ny soa atao levenam-bola, fa ny ratsy atao noza mihantona. Hihantona maneloelo eo an-dohany eo foana ny ratsy nataony teto izay, nandritra izay 2 taona sy tapany nitondran-dRajoelina izay.

Ny zavatra mampalahelo eto amin’ity Madagasikara ity dia izay lava tanana, na koa akaman’ny mpitondra, na izay eo amin’io fitondrana io dia tsy mba hihàran’izany atao hoe lalàna izany. Mbola sarotra amin’ity firenena ity ny handroso raha sahala amin’izao foana no mitranga. Ny kely sy ny madinika no azo enjehina sy gadraina, fa ny tompon’ny vola vita mora, mivadika fotsy hatramin’ny mainty. Ny vahoaka Malagasy sempotry ny fahantrana : ny kely ananany aza mbola alaina aminy toy ny ataon’ny TELMA amin’ny fibodona tanin’olona eny Antanandrano.

Ireo mpianatra mitaky ny zony dobohana lakrimôzena, ireo vakoka sy ny maha Malagasy mampiavaka antsika amin’ny firenen-kafa sahin’ity fitondrana Rajoelina ity ny namafa azy, nanova ary tapitra notany fady avokoa ireo toerana masina.

Mila tonga saina noho izany ny maro an’isa, satria ireo manana, manana foana ary ireo mahantra kosa dia mbola hahantra lavitra noho izao, nohon’ny trosa be baben’ny taranaky ny Malagasy ataon’izao fitondrana Rajoelina izao.