Fanaovana vaksinin’ny coronavirus – Tonga maro ny vehivavy TIM

Helisoa

Zavadehibe amin’ny fiadiana amin’ny valanaretina COVID-19 ny fanaovana vaksiny. Io ihany no tena vahaolana anisan’ny mahomby indrindra hoy ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara: RMDM, rehefa avy nanao vaksiny ny tenany ny herinandro lasa teo. Noho izany antony izany dia tapakevitra ny vehivavy Tiako i Madagasikara, vehivavy TIM, nanao vaksiny, na dia nisalasala aza tamin’ny voalohany ny hanao vaksiny.

Ny antony nanaovana vaksiny araka ny nambaran’izy ireo dia fitiavan-tanindrazana, fitiavana ny fianakaviana sy ny mpiarabelona, mba tsy ho tratry ny aretina, ka afaka miasa indray hamelomana ny ankohonana. Teo ihany koa ny ohatra velona nataon’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fanentanana nataony nampiseho tamin’ny Malagasy, fa tsy misy atahorana ny fanaovana vaksiny.

Ny vehivavy TIM dia mbola manentana hatrany ny vahoaka hanao vaksiny na dia anio 17 jona aza ny fetra farany tokonjy hanaovana ny vaksiny amin’ity andiany voalohany ity.