Varotra sy fanjifana – Midangana tsy mety mijotso ny vidin-javatra

Aly

Mikaikaika avokoa ankehitriny ny sarambabem-bahoaka fa midangana tsy mety mijotso ny vidin-javatra samy hafa eto amintsika, indrindra fa ireo zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro.

Ny mofo dipaina : 500Ar ny iray amin’izao fotoana. Ny atody : 700Ar ka hatramin’ny 800 Ar ny iray, tonga amin’ilay hiran’ny mpanakanto Sareraka hoe: “tsy takatry ny kely vola izao ny atody!”. Ny vary : 3 000Ar ny kg, izany hoe manodidina ny 800Ar eo ny iray kapoaka. Ny siramamy : 4 000Ar ny kg. Ny menaka mananika ny 1 alina Ar ny litatra: ny menaka Huilor: 10 000Ar ny litatra. Ny Lafatra: 8 000Ar ny litatra. Ny menaka Spéciale : 8 000Ar/l. Ny menaka madio: 7 000Ar/l. Ny menaka mandry: 6000Ar/l. Ny hen’omby : 13 000Ar ny kg. Ny akoho gasy voavolo : 18000Ar ny kg. Ny saribao: 25000Ar ny gony iray. Zavatra hafa ilain’ny olona ihany koa: simenitra: 29500Ar ny lasaka iray. Vato fanaovan-trano: 600Ar ny iray. Ny biriky : 100Ar ny iray eny ampotony. 120Ar ny iray miaraka amin’ny fitaterana azy.

Tsy voafehin’ny fitondrana mihitsy hatramin’izao io vidin-javatra io, satria ny mahafinaritra ny azy ny laharam-pahamehana, fa tsy ny mahasoa izay tena ilain’ny vahoaka. Kianja manara-penitra tsy hiditra any am-bilanin’ny olona, tsy ny amin’ny faritry ny renivohitra ihany no voakasik’izany, fa indrindra indrindra ny any amin’ny faritra tratra ny kere eto amintsika. Kianja manara-penitra tsy hahafongana ny kere!