Mpitatira Sabotsy Namehana – Manome 72 ora ny CUA sy ny ATT

Niaina

Manome fe-potoana 72 ora, izany hoe 3 andro, ny CUA: kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ATT, sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny mpitatitra eny Sabotsy Namehana Antananarivo Avardrano hamaha ny olan’izy ireo. Nitokona avokoa ny fiara fitateram-bahoaka nampitohy an’i Sabotsy Namehana sy eto an-drenivohitra omaly. Noho ny fanafoanan’ny kaomina Antananarivo Renivohitra ny fiantsonana eo Analamahitsy no anton’izany. Miteraka olana lehibe ho an’ny mpitatitra sy ny mpanjifa io fanovana io. Manoloana izany dia manome 72 ora ny kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny ATT, ny mpitatitra sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa eny an-toerana, hamaha izany olana izany.