Fiarovana amin’ny covid-19 – Maro ireo nirohotra nanao vaksiny

Helisoa

Somary nalaindaina sy niroharoa saina ny vahoaka Malagasy hoe hanao vaksiny ve sa tsy hanao? Ny hita mantsy dia na ny mpitondra fanjakàna aza, ny filohan’ny Repoblika na ny Praiminisitra tsy mba hita nanome ohatra ho an’ny vahoaka, fa ny mifanohitra amin’izay no noteneniny sy nataony. Naratsiana fa mampivongana rà ny vaksiny, ny ahy ny CVO ihany hoy ny filoha no nahasitrana ahy, ka dia namporisihina amin’ny dokambarotra ao amin’ny fahitalavitra maro ny vahoaka Malagasy, mba hampiasa io tambavy io.

Ny firenen-dehibe manerana izao tontolo izao anefa efa mampiasa vaksiny avokoa, ireo firenena mahantra indray dia efa maro no nisitraka nanao ny fifanarahana COVAX, izay anomezana vaksiny omena fotsiny, fa tsy vidiana hiarahana amin’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny OMS. Ny filohan’ny mpanohitra RMDM sady filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, efa nanome torohevitra ny fanjakàna mba hanafaran’izy ireo vaksiny satria io ihany no vahaolana iadiana amin’ity valanaretina mampididoza ity; nefa tsy nisy nihaino izy.

Taty aoriana kely anefa dia nivadika tamin’ny teny nataony ny mpitondra, ka nandray ny vaksiny COVISHIELD ihany. Manoloana izany, nalaindaina ihany ny Malagasy tamin’ny fanaovana ny vaksiny araka ny nambara teny ambony. Ankehitriny anefa, niroso nanao vaksiny ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ireo ao anatin’ny fanoherana eto amin’ny firenena ny herinandro lasa teo, mba hanome ohatra ho an’ny rehetra. Nahita izany ny maro dia lasa nirohotra nanao vaksiny, ka lasa filaharana be ny fanaovana izany tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Izay tokoa ilay hoe tokony hanao fitaratra ho an’ny vahoaka Malagasy ny mpitondra; satria ny ohatra dia avy any ambony foana.

Anisan’ny nanao vaksiny omaly ny zanaky ny filoha Ravalomanana, Sarah Ravalomanana, ny tarika Ambondrona, ny mpihira Stéphanie, tanora maro mpianatry ny Oniversite eny Ankatso sy Vontovorona, olon-tsotra maro. Mbola mitohy hatramin’ny alakamisy izay fanaovam-baksiny andiany voalohany izay, karapanondro ihany no ilaina entina.