Faniry Razafy – Samy nanao izay vitany tany Atsimo avokoa ny mpitondra nifandimby

Stefa

Samy nanao izay vitany avokoa ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena, mahakasika ny fampandrosoana ny any Atsimo, fa tsy araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina ny alahady alina lasa teo, hoy Faniry Razafy, mpanao gazety, sady mpanao politika. Tsy nitazam-potsiny ny faritanin’I Toliara teo aloha izy ireo, hoy izy. Tamin’ny fitondran’ny antoko HVM sy ny filoha Rajaonarimampianina, efa nisy tetikasa fitarihan-drano nanomboka tany Efaho, izay nambaran-dRajoelina fa vao hatao io. Ny Amiraly Ratsiraka nametraka ny AES, sy ireo orinasam-panjakana maro tao atsimo toy ny Toly sy ny Hasyma… ary nanosika opérateur économique Malagasy avy any atsimo maro. Nitondra ny fotokevitra sy tetikasa IDÉE 21 : Humaniste Écologique, niainga avy any Atsimo, ka tao Jafaro no nitondrana ny jiro avy tamin’ny angôvo azo avy amin’ny masoandro voalohany teto Madagasikara.

Profesora Zafy Albert namerina nanokatra an’i Dabaraha hisarihan-drano indray. Nitety Fokontany maro tao Androy sy Anôsy ary nanamafy ny fanomezana rano sy sakafo ary masomboly ho an’ny tantsaha.

Ny filoha Marc Ravalomanana nanamora ny lalan’ny RN7 taty Ihorombe hatrany Toliara. Nanome fiofanana ny mpamboly avy any Atsimo tamin’ny vitrine de Madagasikara. Nanome rijiky ny tantsaha mpanamboatra tapis tamin’ny foire iraisampirenena. Nampiakatra Maires, na ben’ny tanàna sy Sefo Fokontany, tao Iavoloha, nanome fiofanana leadership, sy nihaino ny tarainan’izy ireo amin’ny fampandrosoana ifotony. Efa nisy ihany koa ny tetikasa famokarana sorgho, novolavolain’ny filoha Ravalomanana iadiana amin’ny kere tany Atsimo, saingy tsy tontosa noho ny krizy 2009.

Niha-nahazo vahana anefa ny tsy fandriampahalemana sy ny haintany tany atsimo vokatry ny fahapotehana ara-toekarena, noho ny krizy politika 2009 teto Madagasikara, izay fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina. Noho izany, anisan’ny tompon’antoka amin’izao tsy fandrosoan’ny any Atsimo izao Rajoelina, efa mpitondra teto izy tamin’ny tetezamita nandritra ny 5 taona, ka manakiana tena izy raha milaza, fa tsy nisy nahavita ny tany Atsimo ny mpitondra nifandimby teto nandritra ny 60 taona, fa izy ireo no tena zavatra amin’izao fotoana. Manao toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana Rajoelina ary mitombo ihany ireo fampanantenany, izay tsy ho tanteraka akory ny ankamaroany.