Distrika sy Kaominina – Tokony hisy fanamarihana ny 26 jona ihany koa

Aris

Mamaritra ny fiainan’ny malagasy ary tena ao anaty kolontsainy ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona niverenan’ny fahaleovantena. Andro lehibe ho azy io andro io, ankoatra ny andro hanamarihany ny taom-baovao. Ny taom-baovao sy ny 26 jona no tena fety lehibe indrindra amin’ny Malagasy. Tsy ny mponina an-drenivohitra ihany, fa hatrany ambanivohtira lavitra rehetra any dia tena manome lanja io andron’ny fetim-pirenena io. Anisan’ny iray lehibe anehoany ny maha Malagasy azy io ary manoritra ao an-tsainy ny fahatsiarovany mandrakariva, fa nomen’ny razany ho lovainy ity Nosy ity.

Tsy azo anaovana antsirambina sy vitavitaina ho azy amin’izao izany hasin’ny 26 Jona omen’ny vahoaka izany. Azo lazaina ho hadisoana atao aminy sy amin’ny firenena ny tsy fahaizana mandanjalanja ny faritra hametrahana renty sy lanonana hankalazana ny Asaramanitra. Sarotra ny hisaina ankehitriny ny amin’ny mbola hisian’ny olom-pirenena Malagasy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, handeha dia an-tongotra lavitra an-kilaometatra maro, na handeha hiakatra any an-tanàn-dehibe, fa tsy mijanona ao amin’ny kaomina misy azy farafahakeliny, hijery fety aman-danonana na ireo renty maro samihafa haingon-tanàna. Fankalazana tsy manara-penitra izany. Ity fitondrana ity miseho sy mihambo milaza ho mahavita zavatra. Aoka tsy anaovana fampielezan-kevitra indray toy ny natao tany Atsimo, ny amin’izany, satria miendrika famitaham-bahoaka tsotra izao.

Hatreto azo lazaina fa tsy mahafehy ny momba ny toe-tsain’ny Malagasy ny fitondrana. Mety azo ekena ihany ny amin’ny fahafantarany izany, fa ny famaliana ny hetahetan’ny sainy izay no tsy misy afitsoka ny fitondrana. Entanina mandrakariva amin’ny fitiavan-tanindrazana ny rehetra, ka ilazana ny amin’ny mba hametrahany ny sainam-pirenena amin’ny trano fonenany. Tsy hisy malagasy hiara-hientana ny amin’izany raha mbola misy vahoaka Malagasy atao anjorom-bala amin-javatra maro. Raha tena mahalala ny Malagasy, dia hahafantatra, fa io Malagasy io tsy mila entaniny izany akory, fa miainga ho azy izy rehefa tena hitany mivaingana ny fanatsaràna sy fanasoavana atao aminy. Aiza ka amin’izao fotoana izao mbola misy olom-pirenena mitomany, fa tadiavina vahiny bodoina fotsiny izao ny tanindrazany. Ny depiote iray ihany koa tsy hahavita hiaro sy hampiakatra ny kaontin’ny fitondrana izany amin’ny toe-javatra toy izany. Iaraha-mahalala fa marobe rahateo ny tranga manageja ny firenena sy ijalian’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao.

Ankoatr’izany, any amin’ireo distrika sy kaominina maro eto amin’ny Nosy, tsy tonga tany ny valanaretina coronavirus, ka nahoana izy ireo no ferana tsy hankalaza ny 26 jona. Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa aza no tena nisy, sy misy covid-19, ka tokony mbola hitandrina isika amin’ireo renivohi-paritany 5 ireo, fa ny any amin’ny toerana ankoatra izay no tokony ho tena ho marihana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Tena tsy maharaka ny zava-misy ve ny fitondrana Rajoelina, sa mody adala?