Foloalindahy – Jeneraly misotro ronono maromaro mbola mibodo toerana

Stefa

Misy ihany ny fimenomenonana ao anivon’ny Foloalindahy Malagasy amin’izao fotona izao, na tsy heno mivantana aza izany, noho ny fisian’ireo jeneraly maromaro misotro ronono nefa azo lazaina mbola mibodo toerana.

Tsy vitsy arak’izany ireo zandary sy miaramila am-perinasa, no tsy miasa amin’ny toerana tokony hisy azy satria misy ireo be kintana namana midongy sehatra. 9 eo amin’izao fotoana ireo jeneraly misotro ronono tokony hosoloina: eo aloha ao anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana SEG: sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena. Ny tale jeneralin’ny CIS (DG CIS), ny jeneraly misotro ronono Dominique, zaodahin’ny Praiministra Ntsay Christian. Ny CAB mil an’ny Praiministra, ny jeneraly misotro ronono Syvain. Ny HCDN/ PRM (ao amin’ny Prezidansa), Vice Amiral Lucien. Ny Directeur Affaires Militaires (DAM/PRM), Général Razafimahatratra. Ny DSNGR MDN (ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovampirenena), ny jeneraly misotro ronono Solo. Ny CEMA, ny jeneraly Rabenaivoarivelo. Ny CAB MDN, ny jeneraly Alexandre. Ankoatra izay, mbola vao notendrena koa ny jeneraly misotro ronono Voahangy Haja Andriamanalinarivo, tale jeneraly (DG) ny ANAF. Olona efa misotro ronono koa sady marary.

Noho ireo antony ireo, misy ny fimenomenonana any ambadika any ao amin’ny Foloalindahy, midika tsy fahatokisana ny amperin’asa hoy izy ireo ny fitazonana olona misotro ronono toy izao. Ny ministry ny fiarovampirenena ny général de corps d’armée Rakotonirina Léon Richard, no fototry ny fanendrena na tsy fanendrena ao amin’ny Foloalindahy. Izy no ambony grady indrindra mbola miasa ( général de corps d’armée, kintana 4. Midika izany, fa raha misy ny korontana, ka lasan’ny miaramila ny fahefana dia izy no ho filoha, mitondra ny tetezamita. Midika koa izany, fa manana tombony izy, ny tsy hisian’ny fanendrena eo anivon’ny miaramila sy ny zandary.

Araka ny vaovao voaray sy ny fanadihadiana natao ny zavatra ataon’ny jeneraly ministra amin’izao fotoana dia manilika ny miaramila nianatra tsy hahazo toerana, mba ho izy irery ihany no fantatry ny mpitondra fa hoe mahay. Maromaro ireo kolonely sy jeneraly amperinasa nahavita fianarana ambony, école de guerres no ailiny. Ny antony dia sao manelingelina azy sy haka ny toerany.

Ankoatra izany, raha tsy misy fanendrena SEG jeneraly amperinasa mihitsy dia tsy hisy ihany koa izany fiakarana grady kintana 4 ao amin’ny zandary, dia ny ministra ihany no hijanona ho be grady indrindra ao anivon’ny Foloalindahy. Momba ny fanavaozana na restructuration ao anivon’ny tafika sy ny zandary : copie coller fandikana ny zava-misy any Frantsa fotsiny no nataon’ny ao amin’ny Fiarovampirenena. Ny fanavaozana dia tokony hiainga amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana, ny boky fotsy na Livre blanc, ary ny paikady momba ny fiarovana. Ireo rehetra ireo anefa voadingana fa tsy natao.