LASA RAKOTO DIA TONGA RAKOTO

Indro lasa Ingahy Rakoto dia nandimby Ingahy Rakoto.
(Lakolosin’ny mompera hoy ny jiolahimboto!)
Tsisy zavatra antenaina raha ny ampitso sy ny hoavy,
Fa hitohy ny hadalan’ireo mpitondra mianakavy!

Indro lasa Ingahy Rakoto dia nandimby Ingahy Rakoto.
Nodiovina ny loto saingy tonga indray ny loto.
Tsy ny vao sy manimanitra, tsy izany no nasolo,
Fa ny konka no nandimby ity ilay iray mihintsam-bolo!

Efa tazana any ho any indray ny lisitra vorosoka,
Ary miaraka amin’izany ny hafetsena sy ny hosoka.
“Tsangan’olona” no tazana hobaikoina sy hoterena.
Raha fehezina dia tsotra: very ianao ry firenena!

Tsisy zavatra antenaina ny amin’izay ho fifidianana.
Olona no nosoloina, fomba ratsy mbola tanana.
Ny tsy marina hatrany no hibata fandresena.
Mbola haverina eto indray fa very ianao ry firenena!

…Na ny lasa na ny tonga, samy tsisy nampiraika.
Ny hohaninay anio, izay ny anay no mahamaika!
Raha ‘zay ireo mpitondra ireo no mbola hajoro sy hoekena,
Dia haverina eto indray fa very ianao ry firenena!

DADAN’i ZINA (12-06-21)