Filoha Rajoelina – “Mikôtikôty” ben’ny tanàna TIM fa tsy manana olona

Stefa

Hita sy tsapa amin’izao fotoana fa tena tsy manana olona ny fitondrana Rajoelina, ka dia “mikôtikôty” araka ny fitenin-jatovo azy, na manambitamby ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko mpanohitra, toy ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hita izany tamin’ny zava-nitranga ny alakamisy teo teny amin’ny kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo. Fanomezana fiara lehibe mpitatitra fako, sy dabam-pako lehibe maromaro no natolotry ny filoha Rajoelina ny kaominina tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa tamin’izany. Nisy avy eo ny fampanantenana sesilany toy ny fanaony mahazatra, izay tsy ho fantatra na ho tanteraka na tsia: fanaovana kianja mitafo e, fanaovana kianja, sekoly, katsaka tsaramaso voanjobory… Ny toky fitaka fa ny hatao no ho hita hoy ny fitenenana Malagasy izay.

Ny tsy tao an-tsain’Ingahy filoha Rajoelina, tsy vao izao akory no miara-miasa amin’ny fitondrana ity kaominina Ivato ity, fa tamin’ny fitondrana teo aloha, tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, nahazo tsena lehibe dia lehibe tokoa tamin’izany fitondrana teo aloha izany Ivato, izay tsy sahin’ny fitondrana Rajoelina notokanana hatramin’izao, fa tonga dia nampiasaina.

Marina fa vavahadin’i Madagasikara Ivato, tokony hahazo izay ho azony amin’ny fitondrana, fa misy kaominina firy eto amintsika, hahazo toy ny azon’Ivato koa ve ny kaominina lavitra Andriana, any ambany ravin-kazo rehetra any? Hita hoe ambadika politika no nataon’ny filoha DJ ny alakamisy lasa teo iny, satria ambany ny fitiavan’ny maro azy ankehitriny noho ny fahasahiranana maro eto amin’ny firenena, mahazo vahana ihany koa ny mpanohitra tato ho ato eto amintsika, dia izay no anisan’ny heveriny hanoherana izany.

Tsy eo amin’ny sehatry ny kaominina ihany no ahitana fa tsy manana olona izao fitondrana izao, ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika vao notendreny farany teo dia olon’ny TIM teo aloha. Ireo ministra efa hita fa tsy mahomby ao amin’ny governemanta hatramin’izao dia tsy misy soloina fa eo ihany, satria tsy mahita olona ny filoha sy ny forongony, tsy manana olona araka ny voalaza teo.