NY MPITONDRA SY NY VAKISINY

Toa tsy taitra, toa tsy maika ny mpitondra ankehitriny
Ny hitsangana ho modelin’ny fanaovam-bakisiny?
Be no toa misalasala, mihodinkodina fizotra.
Efa vita tany ho any ve fa menatra hitsotra?

Raha natao ny dokam-barotra nisotroana ilay tambavy,
Ny filoha mihitsy anie no niantso ny mpianakavy,
Dia nandray ka nahalany hatramin`ny iray tavoahangy.
…Ho resy hatreo ny corona, hatao veloma mampamangy…

Tena tsisy handrara akory, tena tsisy koa ny tsiny,
Raha ‘nareo nankany andafy no nanao ilay vakisiny.
Saingy tena mba tsy rariny ny nambara taminay
Hoe avelao ny vakisiny, CVO ‘zao no milay!

Nisy teny an’avona aza izay nataon’Ingahy filoha,
Hoe ny mpanohitra no alaina sy hosedraina mialoha.
Dia niandry, niandry ireo mpanohitra, ary mbola miandry foana.
Saingy hatreto, miandry vasoka fa tsy nisy fiantsoana!

Tonga ity ny vakisiny, toa tsy tazanay ‘nareo.
Nisitrika sa dia nankaiza no tsy nandrenesam-peo?
Somary menamenatra olona noho ireo fanarabiana?
Saino tsara ny hotenenina mba tsy hanenenana any aoriana!

IRINA HO TAFITA (12-06-21)