ZANDARY AHOANA IREO ?

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary,
Tsy afenina intsoy f’aseho an-karihary.
Jerena sy savaina izay ho etsy Faravohitra,
Satria ao Ingahy Ravalo, lehiben’ny mpanohitra.

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary.
Ny sainy mihitsy ve no efa toa marary,
F’izay mamofompofona ho avy amin’ny fanoherana,
Dia indro fa savaina na aiza n’aiza toerana!

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary.
Matsatso be ny lohany, manahaka ny fary.
Raha hiaro ireo vahoaka no tokony hataony,
Manenjika mpanohitra no lasa kilalaony!

Mitohy ny antsojay ataon’ireo zandary.
Ny asany rehetra, tsy misy iray manjary!
Zandary ahoana ireo? Sao lahy mba diso toerana.
Mpampihorohoro ve? Ilana fiheverana!

TSIMIMALO (09-06-21)