EDITO 12 Jona – Lanonana teny Ivato – Rajoelina no misisika amin’i Penjy, fa tsy ny mifanohitra amin’izay

Ny Valosoa

Novoizin’ny mpampahalala vaovao mpomba ny fitondrana farany izay mafy ny fanomezana fiarabe sy dabampako ny Kaomina Ivato, ary natao mirentirenty ny sarin’Ingahy Filoha Rajoelina miaraka amin’ny Ben’ny Tanànan’Ivato, izay voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara, tsy iza io fa ny namana mpanao gazety Penjy Randrianarisoa.

Ny tanjon’ny seraseran’ny fitondrana dia ny fanehoana, fa miaraka amin’ny fitondrana Ingahy Ben’ny Tanàna, kanefa hita mibaribary f’Ingahy Filoha mihitsy no misisika maka sary eo akaikin’i Penjy.

Ny namana Penjy araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay dia miara-miasa amin’izay mpitondra eo, iza no tsy nahalala fa niara-niasa tamin’ny fitondrana Hvm izy, sady izany koa no izy, satria ny olomboafidy iray rehefa lanimbahoaka dia an’ny vahoaka rehetra, fa tsy an’ny antoko izay nanolotra azy fotsiny ary raha fampandrosoana no resahina dia mila mivelatra ilay ben’ny tanàna, ka ny tombontsoan’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka no tokony ho banjinina.

Ingahy Filoha anefa hatramin’izao dia mbola tsy miala amin’ny fitafy vonimboasary, mivoy ny antokony, midika izany fa miaraka amin’ny vitsy an’isa izy ankehitriny, satria maro ireo efa manomboka tsy sahy miseho masoandro ireo mpiaradia aminy. Ireo kianja lazainy fa “manarapenitra” tokanan’Ingahy Filoha dia lokoina vonimboasary avokoa hatramin’ny Kianjan’i Barikadimy any Toamasina, izay zavabitan’ny Filoha Rajaonarimampianaina, fa ny Kianjan’i Mahamasina no tsy sahiny nolokoina satria volan’ny Fifa no nananganana an’io kianja io.

Ireo fampahalalambaovaon’ny fitondrana dia mampiakapeo, fa tsy manavaka antoko hono Ingahy Filoha, nampiana hono ny ben’ny tanànan’ Ivato satria Ivato no vavahadin’i Madagasikara, kanefa Ramatoa Lalao Ravalomanana Ben’ny Tanàna teto Antananarivo Renivohitra, renivohitr’i Madagasikara manontolo dia tsy nahazo ny sorabola efa voafaritra fa anjaran’Kaomina Antananarivo Renivohitra, nandritra ny herintaona nitondran-dRajoelina mbola nahaben’ny tanàna an’i Neny, iza koa no tsy mahatadidy ny fandikan-dalàna goavana nataon’Ingahy Filoha izay sahy niteny ampahibemaso tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra farany teo, fa ben’ny tanàna miaraka amin’ny fitondrana hono no tokony ho fidiana eto andrenivohitra hanamora ny fanampiana. Fandikan-dalàna tsotr’izao izany kanefa dia samy tsy nisy nahahetsika na ny Ceni na ny fitsarana nisahana ny fifidianana.

Tsikaritra aloha fa mahay manararaotra ny namana mpanao gazety sady tsapany fa manao pimaso tanteraka aminy Ingahy Filoha, tsy tahaka an’Ingahy Mera vazahabe efa iangaran’ny fitondrana mbola tsy mahavita mandroaka fako sy mandamina tsena, ny tsenan’Izaimaika aza moa efa ho herintaona sy tapany mbola tsy tafarina ihany, ny tena marina dia tsy mitsinjo ny fiveloman’ny hafa Ingahy Mera Vazahabe fa mbola miketrika bizina.

Manomboka izao izany dia hijery sy hanaramaso ny vahoaka Malagasy, fa Ingahy Rajoelina dia tsy manavaka antoko, dia ho hita eo.