FAHAVALO NY MPANOHITRA?

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana,
Fa ny sainao no maloto sy efa diso fiheverana?
Ny hany tanjona kendrena sady tena ikoropahana,
Dia ny hanomezan-danja ity ilay hoe “fisolelahana “?

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana,
Ka vao mihetsika izy ireo dia feno fatra ny hatezerana?
Hatramin’i Dada andeha hiantsena sy hihaino ireo vahoaka,
Dia efa tena maharomotra ary koa mampisafoaka?

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana,
Ka novana ny lalàna tsy hahazoan’i Dada toerana?
Dia “mpanohitra namboarina”, izany indray no hajoro angamba,
Ka ho toy ilay sarin-jaza vita tamin’ny vorodamba?

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana,
Ka tadiavina hopotehina ireo rehetra izay miserana?
Inona no firenena mety ho vanona amin’izany,
Fa ny adala no hanohy hatrany hatrany ny hadalany!

Fahavalonao mpitondra ny ao anaty fanoherana?
Ny hetsikay vahoaka anefa tena tsy azon’iza ferana,
F’izahay dia manan-jo haneho ny hevitray an-kianja,
Na hirefotra ny basy, na hipoaka koa ny vanja!

DADAN’i RIANA (01-06-21)