SETRIN’NY LAHATSORATRA AN-GAZETY NAVOAKAN’NY GAZETY NY VALOSOA NY TALATA 08 JONA 2021

NDLR Gazety Valosoa: Tsara ny mampahafantatra ny rehetra fa jeneraly misotro ronono ny SEG, fa tsy am-perinasa intsony, feno sy mazava ny “titre-ny” amin’izay nanaovan’ny gazety azy izay. Ny fisavana ny olona miditra sy mivoaka ao Faravohitra nataon’ny zandary dia fampihorohoroana ny filazana izany na tiana na tsy tiana.

‘https://youtu.be/iiN0hRxeziw?t=320

SEG, jeneraly misotro ronono. Mamaly mahakasika an’izany ny infocom. seg, seraseran’ny Zanda-rimariam-pirenena:

Ho setrin’ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Gazety NY VALOSOA laharana 1170, pejy fahatelo, ny Talata 08 jona 2021 dia manao izao fanamarihana izao ny avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fampahalalam-baovao sy Serasera eo anivon’ny Sekretariam-panjakàna miadidy Zandarimariam-pirenena.

1°)- Adidin’ny manana fahalalana madio saina, ny mampianatra ny mpiray tanindrazana tsy mahay na tsy mahalala, indrindra fa mpanao gazety, izay vakian’ny olona rehetra ny lahatsoratra avoakany. Ny andraikitra Minisitra dia andraikitra politika, ka tsy misy resaka misotro na tsy misotro ronono izany. Toy ny an’ny Filohan’ny Repoblika, Praiminisitra ary olomboafidy io, ka na efa 72 taona aza mbola afaka misahana izany. Misy aza mbola tanora kely, tsy mbola niasa tamin’ilay ministera mihitsy afaka misahana andraikitra minisitra. Tsy eto Madagasikara ihany io fa maneran-tany. Ka ho fiarovana ny voninahitry ny Malagasy, dia na mba mijery zava-misy na mandrato fianarana mameno ny traikefa, na eto an-toe-rana na any ivelany, fa isika Malagasy no afa-baraka rehefa misy manoratsoratra fahatany toy izao.

2)°- Momba ny fitsikerana ny zandary manao ny asany, lazaina fa hoe mampihorohoro ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA, noho ny antony ara-politika, dia tsara koa ny mampianatra ny tsy mahay, fa “Police administrative” no nataon’ny zandary. Raha hazavaina tsotra dia fandrindràna ny fifamoivoizana, fisorohana ny fandikàna ny lalànan’ny fifamoivoizana sy ny heloka hafa toy ny asan-jiolahy na trafics, ary ny fiparitahan’ny coronavirus. Efa teo foana ireo zandary ireo, toy ny eny amin’ny lalam-pirenena hafa ary mbola ao hatra-min’izao. Tsy nisy naha-fantatra hoe handalo ao ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA sy ny mpiara-dia aminy, satria handeha hividy mofo gasy any Mangamila. Fiaran’olon-tsotra, plaque noire, fa tsy fiara mitondra marary, na an’ny mpamonjy voina, na an’ny mpitandro ny filaminana (polisy, zandary, tafika); vitre fumée no nitondra azy, notarihin’ny véhicule prioritaire fiaran’olon-tso-tra ihany koa, nandeha mafy, tsy nanaja ny fandaminana ny fandrindràna ny fifamoivoizana nataon’ ny zandary, ka izay no nanakanana azy ary mbola hanakanana azy raha mbola mamerina izay. Tsy hitanay izay hifandraisan’izany amin’ny “droit” omena ny Filoha teo aloha. Ny talen’ny fanoratana ato amin’ny Gazety “NY VALOSOA”, dia vadin’ny Manamboninahitra efa nodimandry, dia tokony hahalala izany. Tsy nisy nahafantatra koa hoe ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA no nandalo teo, ka tsy maintsy nohamarinina. Raha ny tena izy aza, dia tokony ho niafara tamin’ny fisintonana ny “permis de conduire”-n’ilay mpamily sy fampidirana “fourrière” ny fiara nandika lalànan’ny fifamoivoizana no niseho. Saingy nandeferana izany, fa atao fampitrandremana am-bava fotsiny aloha. Ny hafatra ampitaina re, mba tsy hisian’ny olana, dia aoka mba hajaina ny lalàna araka izay azo atao, indrindra ny momba ny fifamoivoizana. Nianarana izany tamin’ny fiofanana hahazahoana ny “permis de conduire”, ka raha permis-mborontsiloza ny an’ilay mpamily, dia mila miverina miofana izy fa “lahy tokana ny aina” ary tsara izany ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Aoka ihany koa mba tsy hisetrasetra amin’ny zan-dary manao ny asany, na lazainareo fa “zandary kely” aza ireo. Ampianarina hatrany ianareo fa manana qualité OPJ sy APJ ireo zandary ireo, araka ny andininy faha 126 sy 127 ao amin’ny” Code de procédure pénale” malagasy. Na ianareo “gros poissons” aza dia azon’ireo atao fanadihadihana sy andraisana fepetra rehefa mandika lalàna.

Antananarivo, faha 08 jona 2021.

Ny Kolonely RANDRIAMIARANA Mamisoa, Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Fampahalalam-baovao sy Serasera eo anivon’ny Sekretariam-panjakàna miadidy ny Zandarimariam-pirenena.