Depiote Fetra Razafitsimialona – Noho ny tahotra, tsy sahy miatrika ny depiote mivantana ny governemanta

Niaina

Ny tahotra tokoa no lehibe indrindra ho an’izao fitondrana Andry Rajoelina izao: noho izay tahotra izay tokoa, tsy sahy miatrika ny depiote mivantana ny governemanta, hoy ny depiote voafidy tamin’ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany faha-5 Antananarivo, Fetra Razafitsimialona. Na dia efa misokatra, sy hita ho mihena aza tato ho ato ny tahan’ireo mararin’ny covid-19, ny vaksiny efa mandeha dia mbola atao visioconférence ihany ny fivoriana ataon’ny Antenimierampirenena, hoy hatrany ity olom-boafidy ity. Izany hoe mbola ampitain-davitra foana ny fivoriana eny amin’ny Antenimieram-pirenena, kanefa efa tokony hifanatrika amin’izay.

Ilaina izay fihaonana mivantana izay amin’izao anaovan’ny parlemanta tombana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta izao. Miankina indrindra amin’izany tomban’ezaka izany no hametrahana fanontaniana azy ireo, hoy ny depiote Fetra. Misy mantsy hoy ny solombavambahoaka ireo minisitra tsy mahavita ny asany, satria dia tena sahirana daholo ny anaty vilanin’ny olona ankehitriny manerana ny Nosy mihitsy io. Ary tsy ny fitanisan’ny governemanta ny zava-bita no tena ilaina, fa mila fantarina hoe : laharam-pahamehana hoan’ny vahoaka ve izany ? hoy ihany ity depiote mpanentana ao amin’ny fandaharana Miara-manonja ity koa.