Antanandrano – Manao barofo ilay orinasana karana, tsy manaiky ireo mpandova

Helisoa

Raharaha ady tany eny Antanandrano, kaominina Ankadikely distrikan’Antananarivo Avaradrano, mitohy manao barofo amin’izao fotoana ilay orinasa karana, tsy manaiky kosa anefa ireo mpandova izany tany misy olana izany.

Araka ny hita eny an-toerana, hatramin’ny alakamisy lasa teo no mankaty dia tsikaritra ho mitohy mampiditra fitaovana ao anatin’ilay tany mirefy 30 ha mbola iadiany amin’ireo olona an-jatony mahery, milaza ho mpandova izany tany izany ilay orinasa ana teratany Karana, araka ny fanazavan’ny solontenan’ireto mponina milaza azy ho mpandova. Manoloana izany dia nanamafy ireto teratany malagasy ireto, fa izy ireo no tompon’ity toerana etsy Antanandrano, kaominin’Ankadikely ity. Efa nandresy teny amin’ny fitsarana izahay, hoy izy ireo, fa ny ben’ny tanàna izay nanome fahazoan-dalana io orinasa io kosa no tomponandraikitra voalohany amin’ity savorovoro ity. Noho izay antony izay, hiha-mafy ny hetsika fanoherana ny fibodoana tany raha mbola miziriziry tsy miala eo ity orinasa ity, hoy hatrany ny solontenan’ireo mponina. Mbola tsikaritra teny an-toerana koa moa ireo mpitandro filaminana omaly.

Arak’izany, mety ho tapaka ny tady raha mbola samy hiziriziry ny andaniny sy ny ankilany momba ity raharaha ity, ahiana ny hipoahan’ny fifandonana. Ho arahantsika eo ihany arak’izany ny ho tohiny…