Ny arsiva, aroriaka amin’ny tantaran’ny firenena

Radafy

Vao tsy ela izay, fa andro vitsivitsy lasa, nampahatsiarovan’ny Filohampirenena teo aloha, sady filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra RMDM ankehitriny, ny filoha Ravalomanana Marc, ny teny nambaran’i Andry Rajoelina voarakitra an-tsary sy feo, tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fifanatrehan’izy roa kandidà mpifaninana tamin’ny fihodinana faharoa. Nazava ny sary sy ny teny tamin’izany, izay naneho mazava tamin’ny vahoaka, fa ninia nivadika tamin’ny teny nambarany ankehitriny i Andry Rajoelina. Nilaza sy nanaiky ho ren-tany ren-danitra izy tamin’izany, fa ho ekeny ny haha filohan’ny mpanohitra an-dRavalomanana Marc, raha izy no tonga eo amin’ny fitondrana. Iaraha-mahita tsara anefa ny zava-misy sy ketrehin’ireo parlemanta roa hotanterahina eto amin’ny firenena momba io sata sy toeran’ny mpanohitra io. Nazava ny fandavana marindrano nataon’ny RMDM momba izany.

Fantatry ny vahoaka araka izany ny fandehan’ny raharaha. Izay no maha zava-dehibe ny fampahatsiahivana toy ireny amin’ny alalan’ny rakitsary sy rakipeo, ary ny raki-tsoratra ihany koa. Zava-dehibe ny arsiva toy ireny ary tena tokony hotandrovina fatratra ny fiarovana azy, mba ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby hahafantarany ny marina momba ny tantaran’ny fireneny. Ny firenena tsy manana arsiva, dia toy ny firenena tsy manam-pototra mazava sy tsy manana ny maha izy azy, fa toy ny firenem-poana, zara fa misy fotsiny. Firenena miongom-paka, hoy ny raiamandreny am-panahy iray feno fahendrena lalina izay tany aloha tany.

Hatraiza ny fahafantaran’ny vahoaka sy ny fanomezany lanja ny arsiva, indrindra raha momba ny fiainam-pirenena no resahina? Azo andrefesana izany ny tsy fahafantarany ireo toerana isan-karazany mitahiry azy ireny sy ny maha zava-dehibe azy ary ny lanjany sy ny anjara toerany eto amin’ny firenena. Eny hatramin’ny mpianatra aza dia ampahany kely ihany no mahalala izany. Miankina amin’ny fampahafantarana sy ny fifankahazarany amin’ny toerana sy ny arsiva anefa no iredaredan’ny afon’ny fitiavany ny tanindrazany, sy ny hasarotam-piarony amin’ny fiandrianam-pirenena. Tsy atao hahagaga loatra, raha amin’ny sehatra manokana, toy ny fisandratan’ny ekipam-pirenena miady ny amboaran’i Afrika, ohatra, vao mba mitsiry kely sy mipoitra izany. Aiza ho aiza amin’ireny fihetsiny manoloana ny fibodoan’ny fitondrana frantsay ireo Nosy manodidina izay an’ny Malagasy?
Ny arsiva dia manana ireo endrika telo ireo amin’izao fotoana izao. Raha tany aloha, dia tsy nisy afa-tsy soratra no nisy, indrindra raha ho an’ny teto amin’ny firenena, toy ny tany amin’ny faha-mpanjaka sy ny fiandohan’ny fanjanahantany, ankehitriny efa mivoatra be ny fandrosoana, ka miha-mahazo vahana ny sary sy feo. Eo ihany ireo fitaovana fandreketana azy izay manaraka ny fivoaran’ny fandrosoana sy ny teknolojia miha avo lenta hatrany. Efa mampihàtra izay rahateo ny tomponandraikitra eny amin’ny foiben’ny arsivam-pirenena eny Tsaralalana.

Manana toerana sy trano maro samihafa ihany koa ny firenena itehirizana ireny arsiva ireny. Ankoatra ny an’ny firenena dia eo ihany koa ary anisan’ny misongadina ny an’ny fiangonan-dehibe, toy ny an’ny Fjkm eny Faravohitra. Misy ihany koa anefa ireo fikambanana sy olon-tsotra. Ny lesoka lehibe hita miharihary dia ny mbola tsy firoboroboan’ireny toerana ireny. Eo amin’ny fampahafantarana ireo zavatra tehiriziny koa no tsy ampy. Antony maro samihafa no mahatonga izany, ary anisan’ny iray amin’izany iombonana ny fahafahana manao izany, na dia mety ho eo aza ny ahiahy amin’ny tsy fandriampahalemana. Eo ihany koa anefa ny tsy fanomezan-danja mazava azy eo anivon’ny minisitera mpiahy. Porofon’izany, misy olona tena mandala tanteraka ny fitehirizana arsiva ary mpanangona izany no anisan’ny antom-piainany. Efa nisy ny nanao fampirantiana ny zavatra ananany ho fanata-bahoaka, fa tsy nisy na ariary aza mba fanampiana nataon’ny fitondram-panjakana, ary tsy nisy mba nitsidika izany akory nandritry ny andro maromaro nanaovany izany. Herin’ny tenany sy vola tany am-paosiny madiodio no nanatanterahany izany.

Eto amin’ny firenena, dia misy sokajy na andian’olona mikendry ny hanova na hanamboamboatra na hamily làlana mihitsy ny tantaran’ny firenena, ka tadiaviny hifanitsy amin’izay mety aminy sy mahasoasoa ny mpiara-dia aminy rehetra. Ireo ilay fositr’ity firenena ity ary mpanao politika maloto. Ny fisian’ny arsiva dia aroriaka amin’izany, mba tsy ho tantara diso no hiditra any an-tsain’ny taranaka any aoriana. Mila arovana fatratra araka izany izy ireny. Marihina fa ny 09 Jona, izany hoe omaly, no andro anamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny arsiva.