MITANA NY TENINY VE NY MPITONDRA ?

Moa voahajan’ny mpitondra ve ny teny izay nomeny?
Sa dia fitaka sy lainga ireny rehetra rehetra ireny?
Nentina hahazoana seza sy hahafaha-misonanina,
Fa avy dia tena hadino na koa mody odiana fanina?

Moa voahajan’ny mpitondra ve ny teny izay nomeny?
Ireny anie no hitsarana izay mba tombam-pahendreny!
Fa ‘reo zatra ny mandainga sy mivadibadi-dela,
Dia holavin’ny vahoaka na ho haingana na ho ela!

Moa voahajan’ny mpitondra ve ny teny izay nomeny?
Fa ny “eny” ho anay vahoaka dia mijanona ho “eny”.
Ka raha hendry ny mpitondra fa tsy olona mavandy,
Dia hajainy izay nambarany tamin’ny propagandy.

Moa voahajan’ny mpitondra ve ny teny izay nomeny?
Hitsara mantsy ny rehetra dia ho hita ny hagegeny.
…Maro no efa mihetsiketsika ary miomana hitroatra,
Noho ireo endri-pamitahana efa tena tafahoatra!

DADAN’I ZINA (05-06-21)