LASA NY AKOHOVAVY MANENO

Very akohovavy indray ny ao anaty fitondrana.
Tsy dia hay na lasa ho azy na niniana nodakana.
Ny hany fantatra dia ‘zao hoe izy ilay “miseho milay”,
Manivaka amin’ny fanenony, mahakivy indraindray.

Very akohovavy indray ny ao anaty fitondrana,
Dia ilay mpaneno lava, niavaka sy nigagana.
Laza ratsy raha fehezina , izay no mba tadidy taminy.
(Tsy tahaka ny tantely, tia mizara izay mba maminy!)

Very akohovavy indray ny ao anaty fitondrana.
N’inona n’inona lazaina, tara be ny fanalàna.
F’efa tazan’ny rehetra ny fifanasana vangy,
Saingy angamba ry boaikely, mihevitra fa mbola sangy!

Very akohovavy indray ny ao anaty fitondrana.
Asa koa ilay iray toa azy raha voadaka na voatana.
Fa raha samy lasa ireo dia angamba mety hitonitony
Ny ady nanaratsy endrika an’ireo ery ambony.

IRINA HO TAFITA (05-06-21)