ANY IANAO BOAIKELY IZAY…

Andeha diovy ry boaikely ny tontolo misy anao,
Fa efa tena feno loto sy anjakan’ny kalalao.
Tsy misy zavatra mamiratra fa ny ataonareo rehetra,
Dia ny miombona amin’ny ratsy, manao bizina voretra.

Andeha diovy ry boaikely ny tontolo misy anao,
Fa ny olona mpandrava efa no mialokaloka ao.
Manoro vohony matetika, nefa dia tsy mety leo,
Ka mitandrema ianao boaikely sao ho tratra farany eo.

Andeha diovy ry boaikely ny tontolo misy anao.
Jereo ny bokotra efa mena, matroka ny tabilao.
Koa aza miandry ny ora farany hanenoan’ny anjomara,
Fa mialà rehefa hita fa ho ratsy ny tantara.

Andeha diovy ry boaikely ny tontolo misy anao
Fa tena tsy manara-penitra sy tsy misy kalitao.
Ny olona eo akaikinao, ny misolelaka no hainy,
Saingy ho avy ny fotoana, ianao mianjera no hakorainy !

TSIMIMALO (04-06-21)