Rina Randriamasinoro – Mila mailo ny mpitandro filaminana, satria miala ny mpanome baiko rehefa tonga ny sarotra

Isambilo

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, indrindra ny toa fihoaram-pefy ataon’ny mpitandro filaminana sasany manoloana ny vahoaka madinika, nitondra fanehoan-kevitra mahakasika izany ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro: « milaza ireo tompon’andraikitra, fa tsy avy amin’izy ireo ny baiko mikasika ireny zava-niseho tamin’ny sabotsy lasa teo ireny, tamin’ny fandravana ny entan’ny mpivarotra. Iza noho izany no mibaiko ireny mpitandro ny filaminana nidina teny ireny, ny mpanohitra angaha afaka mibaiko azy ireny? Ho an’ireo mpitandro filaminana, mila mailo ianareo rehefa mandeha ny baiko, ka misy korontana miseho, satria miala ny tompon’andraikitra rehefa misy ny savorovoro ary ianareo mpitandro filaminana no ho tratra farany eo ».

Mahakasika ny fanambarana nataon’ny filoha Rajoelina, mahatsapa izy izany izao fa mahantra tokoa ny vahoaka Malagasy hoy Rina. Lafiny roa no mahatonga ny vahoaka latsaka ao anatin’izany fahantrana izany, na izy tsy mahita vahaolana hiala amin’izany na koa minia tsy miraharaha ilay olana misy izy mpitondra. Ny fitondrana dia manana fahefana feno ary koa tompon’andraikitra sy manana ny fahefana hanafaka ny vahoaka ao anatin’zany fahantrana izany. Raha milaza ny mpitondra, fa aza araraotina ny fahasahiranany sy ny fahantran’ny vahoaka, fidinana ifotony sy fihainoana ny fitarainan’izy ireo no natao sy ataon’ny fanoherana, koa inona amin’izany ilay fanararaotana? hoy ihany ity sekretera jeneralin’ny antoko TIM ity.