Ravalo teny Andranonahoatra Itaosy – Manàna fanantenana fa ho avy aho

Isambilo

Nitsidika sy niantsena teny Andranonahoatra Itaosy Antananarivo Atsimondrano ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM ny talata teo.

Raha ny hita teny an-toerana, teo amin’i Dada sy ireo mpivarotra, ireo mpividy ary ireo vahoaka teny an-toerana: tafahaona ny tia sy ny manina. Faly tena faly aho mihaona aminareo vahoaka, hoy ny Filoha Ravalomanana: mihaino anareo aho hoy izy ary manana vaha olana amin’izany olanareo rehetra izany, manana vaha olana koa amin’ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ny ankapobeny misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

Anisan’ny antsoantso nataon’ireo vahoaka teny an-toerana ny hoe:” mila anao miverina izahay ry Dada, mijaly tena mijaly izahay, tsy misy hividianana sakafo, tsy misy hividianana fanafody, nefa ny entana kely mba namidinay dia mbola nopotehan’ny sasany ihany ny faran’ny herinandro teo, nopotehan’ireo mpitandro filaminana!”

Raha tsiahivina, toy ny teny Atsimondrano io ihany, no antsoantso re nataon’ireo vahoaka tamin’ny nandalovan’ny filoha Ravalomanana teny Mahazo sy Ankadindramamy Antananarivo faha-5, sy tany Mahitsy sy Ampanotokana tany amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny herinandro lasa teo. Tarainan’ireo mpivarotra madinika ny fisakanana azy ireo tsy hivarotra, nefa tsy mba misy akory na kely aza ny fanampiana tosika avy amin’ny fitondram-panjakana.

Nilaza ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, fa tsy mila matahotahotra izany intsony, hoy izy tamin’ny vahoaka, mila fahasahiana ity raharaha ity ka tsy mila kanosa izany. Manàna FANANTENANA FOANA fa ho avy aho, hoy ihany i Dada. Izaho izao tsy mba matahotra izany mihitsy na dia tonga eny an-tranoko foana aza ireo zandary.
Fitondrana mpanilikilika, sy tsy mitsinjo ny madinika tokoa no misy eto!