Fizakana ny zom-pirenena malagasy – Tsy azo ampitahaina amin’ny any firenen-kafa ny lalàna ampiharina eto

Radafy

Resabe tokoa sy niteraka adihevitra ary fanehoan-kevitra maro samihafa amin’izao fotoana izao, ny momba ny tolo-dalàna ny amin’ny fanomezana ny fizakàna ny zom-pirenena Malagasy, ho an’ireo tsy manan-tsata sy ireo vahiny. Nipoitra izany rehefa nisy ny fandinihana io lalàna io teny anivon’ny Antenimierampirenena tamin’ity herinandro ity.

Miseho indrindra, miainga avy amin’ny savorovoron-kevitra ny fahatsiarovana fa tsy an’ny solombavambahoaka irery no tokony hanapaka izany, fa tena ilaina ny hevitry ny vahoaka malagasy manontolo mihitsy. Ary rariny sy hitsiny tanteraka izany, tena ilaina ny fakan-kevitra azy, satria izy no hiara-hiaina amin’ireo olona omena zom-pirenena malagasy ireo sy hifanerasera aminy andro aman’alina ary handritry ny androm-piainany, raha homena zom-pirenena izany ihany ireo vahiny ireo. Lohahevitra lehibe tena sarpoady eto amin’ny tany sy ny firenena io resaka io, ka tsy vitan’ny tsangan-tanan’ny parlemantera velively.

zo lazaina mihitsy ho manosihosy sy manitsaka an-tampondohan’ny vahoaka malagasy ny fanaovana iniana fotsiny izao manapaka handany io tolo-dalàna io, tsy tokony homena zom-pirenena Malagasy izany ny vahiny, tsy manana zom-pirenena aza izy manitsakitsaka ny vahoaka, mainka fa hahazo izany zom-pirenena izany, angamba dia asa fotsiny!

Misy fiheverena azo lazaina fa mirefarefa be ihany manao fampitahana amin’ny any amin’ny firenena ivelany efa mandroso, toa an’i Etazonia na indrindra i Frantsa. Any mantsy no be ireo teratany malagasy mangataka fizakana zom-pirenena. Dia misy alaim-panahy misaina hoe ny any aza manome izany koa nahoana no tsy hanao izany isika, indrindra isika efa nanaiky nanao sonia momba izany? Tsia, tsy mitovy ary tena hadisoana bevava ny milaza izany. Tsy azo ampitahaina amin’ireny firenena ireny isika Malagasy, satria tsy mitovy ny zava-misy iainana amin’ny lafiny ara-tsosialy sy toekarena ary indrindra indrindra samy manana ny hasin’ny taniny sy ny soatoaviny ara-kolontsaina.

Efa nanao vazivazy zary tenany an’izany ny mpanentana iray tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray omaly maraina. Efa nosoratana teto ihany koa ary averina, fa ireo tsy mihevitra ny ho Malagasy izany velively, indrindra ireto karana sasany miezaka manorim-paka eto amin’ny firenena ireto. Fihatsarambelatsihy fotsiny, sy fombafomba ny mody anaovany fanampiana amina tranga misy voina na olana na ihany koa fotoana manokana miavaka eto amin’ny firenena. Porofon’izany, iaraha-mahita tsara ny fombam-piainan’ireo andavanandro sy eny amin’ny asa aman-draharaha samihafa. Soa fa mbola nahemotra ny fandinihana ity tolo-dalàna ity, mba hisaintsainan’ny rehetra lalina azy.